Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 28 Janoary 2014


Tena potika tanteraka ny fotodrafitrasa ao an-tampon-tanànan'i Fianarantsoa sy iny lalam-pirenena faha-7 eo anelanelan’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa iny. Tsy vita hatramin'izao koa ny kianjan’Ampasambazaha, izay nopotehana fa hoe hatao manara-penitra kanefa tsy tafatsangana ka sahirana ireo mpitia fanatanjahantena sy ireo tanora mpanala fanadinam-panjakana. Velon-taraina koa ny mpiasan'ny Kaominina Fianarantsoa fa mbola misy karamany tsy voaloha.

Tovolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1.120.000Ar ny faran’ny herinandro teo tao Manakara. Nisy vehivavy iray tonga tao amin’ny polisy ny zoma, nampiseho vola sandoka 10.000Ar nambarany fa nomena tovolahy iray niara-nanala azy taminy ny alakamisy alina. Nanomboka teo ny fikarohana ka nahatrarana azy roalahy. Fantatra tamin’izany fa 18 tapitrisa Ariary no natonta, natao “photocopie”. Mbola karohina kosa ny tena atidoha.

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao ireo polisy miasa eo anivon’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra ny alahady teo, tao amin’ny “Le Bateau Ivre”. Nandritra izany no nilazan’ny Jly Ramananandro Gabriel fa vonona hatrany ny polisin’i Toamasina ambany fitantanany hametraka ny filaminam-bahoaka sy hanao izay hampilamina ny tanàna mba ahafahan’ny vahoaka rehetra miaina am-pilaminana sy ao anaty ahiahy.

Hihazo an’i Addis Abeba anio ny delegasiona Malagasy tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina  handray anjara amin’ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, izay hanamarika ny faha-50 taona niorenany amin’ity taona ity. Voaasa amin’ity fivoriana ity i Madagasikara izay handray indray ny toerany rehefa nihantona hatramin’ny 2009.

Hitarika filankevitry ny governemanta ny praiminisitra Beriziky Jean Omer anio. Voalohany io taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina  fanapahan-kevitra fa manohy ny asany ny governemanta Beriziky.

Manova fomba fiasa indray ny jiolahy amin’izao. Amin’ny maraina fandehanan’ny olona miantsena iny no anaovany ny asa ratsiny ka mila mailo. Manatona trano  izy ireo ary mody miantso anaran’olona. Anontaniany ny ankizy sendra azy eo raha misy olona ao an-trano. Raha tsy misy dia mody ampiresahany eo ilay zaza na mody irahany, alainy avy eo izay sendra azy dia lasa izy.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT