Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 27 Janoary 2014


Tany Antsiranana omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina mivady, niara-niombom-bavaka tamin’ny mpino katolika tany an-toerana, nandritra ny lamesa voalohany taorian’ny nametrahana amin’ny toerany ny Arsevekan’Antsiranana vaovao, Mgr Ramaroson Benjamin Marc. Io koa no fitsidihana voalohany ivelan’Antananarivo nataon’ny filoha vaovao taorian’ny nandraisany fahefana.

 

Ny 92%-n’ny vahoaka eto Madagasikara no miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka raha miisa 4 tapitrisa ireo olona tsy milamina ara-tsakafo. Milaza moa ny PAM fa mitentina 7 tapitrisa dolara na 16 miliara Ariary ireo filàna tokony hanampiana olona 8 hetsy eo anelanelan’ny volana janoary sy jona 2014.

 

 

Hitohy ny fanampiana ireo orinasa misahana ny fitantanana solika voarafitra ao amin’ny Tetibolam-panjakana 2014 mba hitazonana ny vidiny eny amin’ireo toeram-pivarotana izany. Tsy maintsy hizotra miadana amin’ny fampiharana ny tena vidiny anefa isika, hoy ny minisitry ny Fitantanam-bola sy Tetibola, araka ny politika fanalalahana.

 

 

Ny Kaominina renivohitr’i Toamasina no mampidi-bola betsaka aorian’ny tanànan’Antananarivo renivohitra eto Madagasikara. Tsy manana tetikasa fampandrosoana ary tsy mahaloa ireo karaman’ny mpiasa ao aminy anefa ity renivohitra ara-toekarena malagasy ity.

 

Hifindra eny Ambohijanaka ny tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra eny amin’ny Fasan’ny Karana. Malalaka kokoa ity toerana vaovao ity satria mahatratra hatrany amin’ny 20 ha raha 3 ha monja ilay teo aloha.

 

Manambana ny hiverina hitokona indray manomboka amin’ity herinandro ity ireo mpianatra eny Vontovorona raha tsy voaloa ao anatin’io fotoana io ireo vatsim-pianaran’izy ireo 2012-2013.

 

 

Efa nanomboka nandrafitra ny lisi-pifidianana isam-pokontany tamin’iny herinandro lasa iny ho fanomanana ny fifidianana eny anivon’ny tanàna amin’ny volana aprily ny faritra Boeny.

 

 

Lalana maro eto Antananarivo no ahitana fanamboarana amin’izao fotoana izao. Tsy mahagaga raha betsaka tokoa ireo tohana hita toy ny eny Anosibe, 67 Ha na koa Tanjombato.

 

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT