Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 25 Janoary 2014


5 no namoy ny ainy, traboina 6.458, tsy manan-kialofana 2.128 fa afaka namonjy fodiana ny 638, trano simba 89, trano tsy misy tafo 2.286, trano dibo-drano 675, sekoly 8 sy lava-drano 6 no simba, tanimbary 502 ha feno fasika, 700 ha difotry ny rano ary 563 ha no tanimboly potika. Ireo no tatitra farany navoakan’ny BNGRC tamin’ny fandalovan’ny andro ratsy Deliwe.

 

Hanatanteraka famelabelarana mikasika ny Tetibolam-panjakana 2014 ny Antenimieraan’ny varotra sy ny indostria Antananarivo ny 28 janoary 2014 izao eny Antaninarenina. Tanjona ny hampahafantatra ny besinimaro ireo fiovana hita amin’ny tontolon’ny fitakiana hetra 2014 mihoatra ny tamin’ny taona 2013.

 

Vatoaratra maromaron’ireo andrinjiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro mitsilo ny lalam-pirenena voalohany eny Anosizato no nisy nangalatra. Efa naka fepetra hanafoanana ny asa ratsy ireo mpitandro filaminana miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hohamafisina amin’ny lalotra matevina ihany koa ny fototr’ireo andrin-jiro vaovao ireo.

 

Voa mafy ny fambolena ao amin’ny Distrikan’i Morombe, hoy ny BNGRC. Mahatratra hatrany amin’ny 4.800 taonina ny fahavoazana, araka ny kajy tsotsotra. Atahorana ny tohana ara-tsakafo sy ny foto-piveloman’ny mponina amin’ny ankapobeny any an-toerana.

 

Niarahaba ny filoha vaovao Rajaonarimampianina ny «Club pour l’action et le développement de Madagascar» ary namaritra ireo zavatra telo mila hajaina dia ny fanjakana tan-dalàna, ny fanarenana ny toekarena ary ny fampisondrotana ny fari-piainan’ny vahoaka.

 

Nanipika ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rasolosoa Dolin, fa rava avy hatrany ny birao tarihany rehefa tafatsangana soa aman-tsara ny birao vaovao maharitry ny Antenimieram-pirenena.

 

Ny 91%-n’ny vinavinan’ny vola niditra tamin’ny taona 2013 no tratra, hoy ny Tale jeneralin’ny fadin-tseranana, Razafindramiandra Vola. Mitentina 1.174 miliara Ariary izany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT