Laharam-pahamehana ho an’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna izay hamerina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ireo mpitondra. Io no tsy ampy nefa fototry ny zavatra rehetra ka resy lahatra ny tenany fa hivaha daholo ny olana toy ny fanondranana andramena rehefa tafapetraka izany, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny Radio France Internationale.
Hikatona ny 15 aprily 2014 ny lisi-pifidianana hampiasaina amin’ny fifidianana ireo tompon’andraikitra hitantana ny tanàna. Nanentana ireo olom-pirenena feno taona mananjo hifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana nampiasaina ny 20 desambra 2013 hanatona ny Fokontany ny CENI-T handrafetana lisi-pifidianana.
Nihena hatrany amin’ny 2/3 ny fahafahana miatrika avy hatrany ireo loza ara-boajanahary mihoatra ny tamin’ny 5 taona lasa, hoy ny Birao nasionaly misahana ny tandindon-doza sy ireo tranga ratsy izay namoaka ny dika farany amin’ny drafi-pirenena mikasika ny vanim-
potoanan’ny rivodoza 2013-2014.
Ny filaminana ara-tsosialy sy fitsinjovana ny zon’ireo mpiasa no tokony himasoan’ny governemanta vaovaon’ny Repoblika fahefatra, araka ny fanamarihana nataon’ny kaonfederasion’ny mpiasa malagasy na CTM.
Hivoaka alohan’ny 10 febroary ireo voka-pifidianana ofisialin’ny solombavambahoaka, hoy ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana.
Maharitra ora telo isan’andro ny fahatapahan’ny herinaratra ao amin’ny hopitaly manara-penitra Antsiranana, araka ny angom-baovao voaray.
Tsy nihetsika firy ny vidim-bary manerana ny Nosy. Nanatombo 189 Ariary isan-kilao kosa ny fotsimbary avy eto an-toerana, 76 Ariary ny vary nafarana ery 56 Ariary ny akotry mihoatra ny tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny ivon-teorana mpandinika ny vary.
Hahatratra 3,7% ny vokatra anatiny manerantany amin’ity taona 2014 ity araka ny vinavinan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena raha 3% izany ny taona 2013. Nanamarika ny FMI fa mbola marefo anefa io fiaingan’ny toekarena manerantany.
Anisan’ny tena nafana iny taona 2013 iny hatramin’ny 1880, taona nanombohan’ny toetany mafana, hoy ny NASA sy masoivoho amerikana mandinika ny rivotra. Nahatratra 0,62° ambony mihoatra amin’ny salan’isa nandritra ny taonjato faha-20 izany.
Lokoina atiny sy ivelany ny kianjaben’i Mahamasina amin’izao fotoana. Tsy azo ampiasaina sy hidirana intsony ao manomboka anio amin’ny 9ora alina. Tsy azo ampiasaina ny kianja na tribune na toerana fikotranana ao anatiny noho ny fikarakarana sy fanomanana ny fitokanana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara rahampitso sabotsy eny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.