Hohamafisina ny fiarovana ny fandriampahalemana mandritra ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao ny sabotsy ho avy izao eny Mahamasina, hoy ny mpitandro filaminana. Hisy ny fisavana sy ny fivezivezena eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hosavaina daholo ireo olona hanatrika ny lanonana mialoha ny hidirana ny kianja.
Hifarana anio ny dingana faharoa amin’ny fanofanana ireo mpanabe niompana tamin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ao amin’ireo kilasy ambaratonga voalohany avy amin’ny sekolim-panjakana sy tsy miankina ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antsiranana II izay naharitra hefarana.
Nametraka fitoriana teo anoloan’ny «Centre International de Règlement des différends relatifs aux Investissements» na CIRDI ny 23 desambra 2013 ny orinasa Courts Ltd sy Courts Madagascar. 7 tapitrisa dolara amerikanina no fahavoazana nihatra taminy tamin’ny 26 janoary 2009, hoy ity orinasa ity.
Matoky amin’ny fiverenan’ny AGOA ny tontolon’ny fanenomana eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny vondrona Socota, Salim Ismail. Efa feno mantsy aminy ireo fepetra notakiana ka antenainy ny hahatanteraka izany ao anatin’ny enim-bolana voalohany.
Afaka hampiasa tsy ho ela ny trano fipetrahana vaovao ireo mpianatra eny Ankatso. Hisy ny fivoriana hotanterahana amin’io herinandro ho avy io handinihana ny fizarana ireo efitra ho an’ny mpianatra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.