Nitarika ny delegasiona malagasy nanatrika ny fihaonana an-tampony «Group Earth Observations” tany Genève ny 16 sy 17 janoary lasa teo ny Praiminisitra sady minisitry ny tontolo iainana sy ny ala vonjimaika, Beriziky Jean Omer. Ilaina ny fanohanan’ny GEO an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana ilay tetikasa fametrahana ny fotodrafitrasa «MADagascar Earth Observations Systems (MADEOS)”, hoy ny lehiben’ny governemanta malagasy.
Maniry i Japon ny haneken’ny ankolafy rehetra miaraka amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny voka-pifidianana ary ho tafapetraka faran’izay haingana ao anatin’ny filaminana ny rafitra tan-dalàna, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny japoney. Miarahaba an-dRajaonarimampianina Hery lany, araka ny safidin’ny vahoaka malagasy ihany koa ny fanambarana.
Ny fandresen’i Hery Rajaonarimampianina dia fandresen’ny vahoaka malagasy ihany koa, hoy ny filohan’i Namibia sady lehiben’ny Troika-SADC, Hifikepunye Pohamba. Niarahaba io fandresena io ny tenany no niantso ny vahoaka malagasy ho tony sy hanaiky io voka-pifidianana navoakan’ny CES io.
Amin’ireo tambajotra sosialy no ahitana ny fiarahaban’ny masoivohon’i Etazonia ny voka-pifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara izay mankasitraka ireo fahefaha nisahana ny fifidianana tamin’ny fikarakarana mampiseho ny safidin’ny vahoaka malagasy.
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tompon’andraikitra misahana ny fotoana sy ny fandaminana ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena malagasy vaovao Rajaonarimampianina Hery izay hatao ny sabotsy 25 janoary 2014. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny fotoana handraisany ny andraikitra maha filohan’ny Repoblika azy.
Efa miaina ao anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra matetika tao anatin’ny fotoana maharitra ny faritra maro sy ny eto an-drenivohitra. Manantena anefa ny mpanjifa fa hiravona tsy ho ela ny olana raha ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Rajaonarimampianina Hery satria efa filoham-pirenena izy ankehitriny.
Nametra-pialana ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea, ny profesora Ravelomanantsoa Solofonirina. Efa 6 taona no nisahanany io andraikitra io ka rariny raha soloina amin’izay ny tenany, hoy ny fanazavany.
Manomboka mitaraina ireo mpampiasa ny lalana «route des hydrocarbures» Alarobia. Mbola vao ny 25%-n’ny asa fanamboarana mantsy no vita ankehitriny nefa mandany ora iray ny fandehanana amin’ny fiara mampitohy an’Antanimena amin’Alarobia.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.