Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 21 Janoary 2014


Nanambara ny solombavambahoaka eoropeanina Françoise Castex tamin’ny tafatafa nataony tamin’ny gazety «Sud Ouest» fa mbola mijanona eto Madagasikara hatramin’ny tapaky ny volana febroary ireo mpanara-mason’izy ireo. Fotoana natokana indrindra handinihana ireo karazam-pitarainana voarain’izy ireo.

 

Hiverina eny amin’ny trano nipetrahany eny Faravohitra, foiben’ny SAMIFIN ankehitriny ny Amiraly Didier Ratsiraka. Efa nampahafantatra ity fanapahan-kevitra ity tamin’ny primatiora ity andrim-panjakana ity izay hiasa eny Ankerana na eny Antaninarenina misy ny EDBM manomboka izao.

 

Feno 100 taona amin’ity 2014 ity ny ady lehibe voalohany 1914-1918. Hankalaza izany ireo mpiady tranainy malagasy ao anatin’ny Vondron’ireo mpiady tranainy eto Madagasikara na UACM. Hifidy ireo mpikambana handrafitra ny birao vaovao izy ireo ny voalohan’ny volana febroary izao.

 

Re fa manao fanadihadiana mikasika fanodikodinam-bola mitentina 200 tapitrisa Ariary eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny ny sampandraharaha ankapobeny misahana ny hetra.

 

234 ireo sekolim-panjakana nasiam-panamboarana, 130 ireo sekoly fanabeazana fototra naorina, 200 ireo no novatsiana ara-pitaovana ary mpampianatra 3.000 no noraisina ho mpiasam-panjakana. Ireo no nisongadina tamin’iny taona 2013 iny ho an’ity ministera ity.

 

Nahemotra amin’ny faha-12 febroary 2014 indray ireo fanadinana fidirana ho taona voalohany eny amin’ny fakiolten’ny lalàna, toekarena, fitantanana ary fiarahamonina eny Ankatso.

 

Mbola mijanona ao amin’ny “lisitra B”-n’ny Vondrona eoropeanina ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Hihazo an’i Bruxelles ny delegasiona malagasy mialoha ny faran’ny volana janoary hiady hevitra mikasika ireo fenitra mila arahina vao mahazo alalana misidina amin’ny habakabaka eoropeana.

 

Nifarana ny fialantsasatra ho an’ireo mpitsara sy mpikiraki-draharaha eo anivon’ny fitsarana. Efa namonjy ny asany izy ireo ankehitriny.

 

Tao anatin’ny roa herinandro izao dia voatery mampiasa lakana hiampitana ireo mponina eny ambany tanàna. Mahatratra hatrany amin’ny 1,5 metatra mantsy ny fiakaran’ny rano eny amin’ireo toerana ireo.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT