Nanamarika ny andron’ny manamboninatra ankalazaina isan-taona isaky ny 12 janoary ireo tobin’ny zandary sy miaramila samihafa omaly. Samy nanana ny fomba nentina nanamarihana izany fa saika nitambarana ny fanapoahana basy, fifaninanana ara-panatanjahantena ary fanolorana gisa ho an’ny lehibe.
Hisy andiana mpiofana ho manamboninahitra miaramila mahatratra 356 hiainga ao Antsirabe hihazo an’Antsiranana, hanao fanazaran-tena an-dranomasina. Fiarabe miisa 11 no voalaza fa hitondra azy ireo, hiala anio ao Antsirabe.
Distrika miisa 45 ankehitriny no arahi-maso noho ny aretina pesta. Voalaza fa aretim-boalavo zy io ary vokatry ny parasiny. Tamin’ireo telonjato mahery natao fitiliana dia voamarina ny fisian’ny otrikaretina pesta tamin’ny 75 tamin’izy ireo.
Nilaza ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa handefa olona aty Madagasikara ny SADC ny alahady 12 janoary (omaly). Miantso ny vahoaka Malagasy izy hijoro hiaro ny fahamarinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.