Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 10 Janoary 2014


Nahazo tohana ara-tsakafo tamin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny EPP Anosibe izay misy mpianatra 1200 mahery, saika zanaka fianakaviana sahirana avokoa. Koba be otrikaina milanja 250kg mahery no natolotra ity sekolim-panjakana ity hamatsiana ny “Cantine soclaire”. Isaky ny Alatsinainy, Alarobia ary Zoma no hizarana sakafo masaka amin’ny mpianatra, ka ny ray aman-drenin’izy ireo ihany no mifandamina amin’ny fahandroana azy.

Hampanantsoina ny ray aman-drenin’ireo zaza tokony hianatra an-tsekoly ao Antsiranana nefa mivangabao na tsy mianatra mihitsy. Noraisina izao fepetra izao mba tsy hibiririoka amin’ny herisetra ireny ankizy ireny na koa ho lasa “Foroches”.

Mirongatra ny aretina eto an-drenivohitra amin’izao. Milahatra ny marary eny amin’ny tobim-pitsaboana. Mahatratra 100 isan’andro, hoy ny tompon’andraikitra. Araka ny fanadihadiana dia vokatry ny loto miparitaka sy ny fofona mihanaka no antony. Aretin’andoha, tenda ary maso no fambaran’aretina.

Laharana faha-145 amin’ny 185 mahantra indrindra erantany i Madagasikara araka ny tatitra azo. Nitombo avo efatra heny io taha io hatramin’ny 1960 no ho mankaty. 2009 : niakatra 20%. Ny taona 2013 no tena nisongadina satria nahatratra 92%. Mbola aorian’i Haiti isika na dia vao nianjadian’ny loza voajanahary mafy vao tsy ela akory aza ity firenena ity.

JD sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT