Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 09 Janoary 2014


Vitsy ireo antontan-taratasy tonga eny amin’ny foiben’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana voaangon’ireo kandida ho fiarovan-tena manoloana ny fitakiana fanalana an-daharana. Hanapa-kevitra tsy misy taratasy angon-kevitra noho izany ny CES.

 

Azo ampiakarina eo anoloan’ny Filankevi-panjakana ny fanapahan-kevitra fanalana an-daharana kandida noraisin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Manana telo andro aorian’ny fanapahan-kevitra ny didy fandravana.

 

Tsy miala ireo sazy manambana an’i Madagasikara avy amin’ny Troïkan’ny SADC raha tsy mikatona tanteraka ny pejin’ny fifidianana. Izany hoe fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena lany ara-dalàna, ny fitsanganan’ny governemanta ary ny fipetrahan’ireo mpikambana solombavambahoaka mandrafitra ny Antenimieram-pirenena.

 

Tsy hanome fahazoan-dalana amin’ny fihetsiketseham-bahoaka mandra-pamoakan’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ireo voka-pifidianana ofisialy ny Prefektoran’ny polisy. Natao izany mba hisorohana ny firotsahana an-dalambe ho fanoherana ny voka-pifidianana filoham-pirenena.

 

806,3 miliara Ariary no fandaniana amin’ny fampiasam-bolam-panjakana voafaritry ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2014 ity. 744 arivo tapitrisa Ariary izany tamin’ny taon-dasa. Hiakatra 638,2 milara Ariary kosa ny famatsiam-bola avy any ivelany voavinavinan’ny tetibolam-panjakana 2014.

 

Mitaky sampandraharaha manokana hisahana azy ny sendikan’ireo matihanina amin’ny sehatry ny asa tanana eto Madagasikara. Tokony havahana tsara ireo orinasa goavana mpamokatra sy ireo mpanao asa tanana madinika.

 

Tafiditra amin’ny asa fanadiovana sahanin’ny APIPA eny amin’ny Masay ny fanesorana ireo tsikafona. Efa am-periny ny asa fanatanterahana izay hifarana amin’ny fiatombohan’ny volana febroary.

 

Nahatratra 6,7% ny fisondrotry ny vidim-piainana tamin’ny taona 2013 raha 5,8% izany ny taona 2012.

 

 Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT