Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 08 Janoary 2014


Ny zoma 10 janoary 2014 ho avy izao no hamoaka ireo voka-pifidianana vonjimaikan’ny solombavambahoaka ny CENI-T. Niaiky izy ireo fa nisy ireo fomba mamohehatra nanodikodinam-bokatra.

 

Ireo solombavambahoaka miisa 151 no misahana ny andraikitry ny andrim-panjakana mpanao lalàna mandra-pitsangan’ny Antenimierandoholona. Tsy mbola misy anefa hatreto ny lalàna milaza ny fanendrena ireo loholona.

 

Nanomboka omaly dia hisy isan’andro ny hetsika fanoherana ireo hosoka tamin’ny fifidianana sy fiantsoana ny fandraisan’andraikitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena ao amin’ny Magro Behoririka. Io no nambaran’ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko Avana.

 

Nampitandrina ny momba ireo karazana fihetsiketsehana an-dalambe sy amin’ny toerana fivezivezen’ny olona tsy nahazo alalana ny kolonely Rakotomahanina Florens. Hisy ireo fepetra henjana horaisina manoloana ireo endrika fitakiana, hoy ity tompon’andraikitra voalohan’ny CIRGN Antananarivo ity.

 

2,4% ny tahan’ny harin-karena ara-toekarena tratra tamin’ny taona 2013 raha novinavinaina ho 2,8% izany. Nitana anjara toerana lehibe tamin’io vokatra azo io ny seha-pamokarana.

 

Mahatratra 1 100 ny olona monina eny La Reunion kely ankehitriny. Ny ankizy sy ny zaza no betsaka. Mivarotra entana nalainy avy amin’ny dabam-pako no fiveloman’izy ireo. Mihinana sakafo efa lany daty koa izy izay nambarany fa tsy mankarary azy hatramin’izao.

 

Tsy nomen’ny tao amin’ny ambasady frantsay “visa” handehanana any frantsa ilay mpanakanto fanta-daza Ninie Donia raha na nikasa hitsidika an-janany any andafy izay marary. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny raharaha.

 

Nodimandry omaly teny amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ny jeneraly Andrianome Ranaivo Dieu Donné. Ny fahatapahan’ny lalandra no voalaza fa nandazo azy efa am-bolana. Maro ny andraikitra notanany teto amin’ny firenena.

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT