Velom-pankasitrahana ireo mpifidy tao amin’ny Distrikan’Ambositra mahatratra 62,94% nandatsa-bato ny kandida Hery Rajaonarimampianaina tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra ny mandaterany Rajaonarison Lisinirina Sylvia omaly alatsinainy 06 janoary 2014. Nisaorany manokana ireo raiamandreny ara-piangonana sy ara-drazana, fikambanana maro, ireo kandida solombavambahoaka nilatsaka tao Ambositra sasany, ary ireo mpifidy niara-nifanampy taminy.
Manomboka hiverina amin’ny laoniny ny toetr’andro eto Antananarivo sy ny manodidina taorian’ny firotsahan’ny orana nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nampahatsiahy anefa ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro eny Ampasampito fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika izao ka tsy ferana ny mety hirotsahan’ny orana ny tapak’andro hariva.
Vonona amin’ny mety ho fiavin’ireo rivodoza eto Madagasikara ny birao misahana ny loza voajanahary. Efa noraisina daholo ireo fepetra hisorohana ny fahasimbana sy fahapotehana toy izay nitranga tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tamin’ny volana febroary 2013, hoy ny fanazavana avy amin’ny BNGRC.
Vinavinan’ny tetibolam-panjakana 2014 ny hanatratrarana ny harinkarena 3% amin’ity taona vaovao ity. Mieritreritra ihany koa ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola ny hametra ny fiakaran’ny vidim-piainana ho 6,2%.
Nahitana fitomboana 8% ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro teto Madagasikara teo anelanelan’ny volana novambra 2012 sy ny volana novambra 2013. Nitarika fiakarana hatrany amin’ny 36,8% teo amin’ny vidin’entana ankapobeny teny an-tsena io tarehimarika io.
Taonan’ny tsy fandriampahalemana ny 2013. Nanjaka nandritra iny taona nivalona iny ireo karazana fanafihana sy fandrobana ary fangalarana miaro herisetra samihafa. Miaiky ny rehetra fa manana andraikitra amin’ireo tranga ireo ny fitondrana tetezamita naharitra nandritra ny 5 taona latsaka.
Efa mananika ny 15.000 taonina ankehitriny ny fanondranana lodsia avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena eoropeanina, hoy ny «Centre de Technique Horticole de Tamatave». Mety ho tratra ihany ny vinavina 17.000 taonina kasaina haondrana amin’ity fotoam-pamokarana 2013-2014 ity, hoy ny fanampim-panazavana.
Efa maro ireo mpizahatany vahiny mamandrika toerana any amin’ireo trano fandraisam-bahiny manomboka ny volana aprily 2014, hoy ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Miankina betsaka amin’ny filaminana ara-politika anefa ny hahatanteraka izany.
Hisokatra amin’ny 17 febroary izao ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana Bepc amin’ity taom-pianarana 2013-14 ity ary hifarana ny 25 aprily 2014 amin’ny 4ora maraina. Raha tsy hisy ny fiovana dia ny alatsinainy 28 ka hatramin’ny alakamisy 31 jolay ny fanadinana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.