Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014


Handrasana eto Madagasikara amin’ny volana febroary ny iraka avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI hijery sy hanadihady ny zava-misy eto amintsika. Ho fanomanana ny famerenana ireo fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny FMI no anton-dian’ity iraka ity.

 

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ary haharitra hatramin’ny zoma 10 janoary 2014 eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampirantiana sary mitondra ny lohateny hoe «Belle Chine, Beau Madagascar». Mpaka sary matihanina sinoa sy malagasy miisa 75 miaraka amin’ireo olon-tsotra tia maka sary no mandray anjara amin’ny hetsika ho fampisongadinana ny fampandrosoana maharitra sy ny tontolo maitso.

 

Tsy mifarana amin’ny famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena akory ny andraikitra sahanin’ny SADC, hoy ny fanamarihana avy amin’ity vondrom-paritra ity. Mitohy hatrany ny asa fanelanelanan-davitra ataony fa avela miasa an-kalalahana kosa ireo andrim-panjakana malagasy.

 

Manahy ny hisian’ny tsy fitoniana aorian’ny fifidianana ny fikambanana Otrikafo, hoy ny filohany Andrianjaka Rajaonah. Na dia nandresy aza mantsy i Hery Rajaonarimampianina dia tsy nisy afa-tsy ny ampahadimin’ny mpifidy Malagasy no nandatsa-bato azy.

 

Hiverina hamonjy lakilasy manomboka anio alatsinainy 06 janoary 2014 indray ireo mpianatra malagasy. Hiatrika ny telovolana faharoa izy ireo izay tena herin’ny taom-pianarana 2013-2014 mialoha ny fialantsasatry ny fetin’ny Paska amin’ny volana aprily.

 

Maro amin’ny tokantrano malagasy no mitrosa amin’izao fiatombohan’ny taona vaovao 2014 izao. Antony ny fandaniana tsy maintsy natao niatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao. Malaza ho lava rahateo ny volana janoary izay misy herinandro dimy raha ny amin’ity taona ity.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT