Misy voka-dratsy eo amin’ny fiompiana landy ka mamono mahafaty azy ireo ny fampiasana ireo fanafody hiadiana amin’ny firongatry ny valala. Nanamafy kosa anefa ireo manampahaizana avy amin’ny FAO, tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady atao amin’ny valala fa tsy misy fiantraikany amin’ny fiompiana landy ny fanafody ampiasaina izay manaja tanteraka ny tontolo iainana.
Miandry ny fotoana mahamety azy ny fanambarana avy amin’ny CES, hoy ny filohany Rakotozafy François, omaly, taorian’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika tetsy amin’ny foiben’ny CENI-T Alarobia. Am-periny amin’ny fijerena akaiky ireo fitarainana voaray ny mpikambana sy ireo ekipa rehetra, hoy ny fanampim-panazavany.
Lehilahy iray no hita maty teo ivelan’ny vavahadin’ny tranompatin’ny HJRA omaly maraina. Araka ny fitantaran’ny manodidina dia marary nanatona hopitaly hitsabo tena izy io ny omalin’io. Navoaka ny hopitaly indray anefa fa hoe tsy nanam-bola hiantohany ny fitsaboany dia io namoy ny ainy io. Nilaza ny tao amin’ny HJRA fa raisiny an-tanana avokoa ny marary tonga ao aminy, ary efa misy fikambanana miahy ny sahirana ao.
Efa ho ny antsasaky ny tetibolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no lasa any amin’ny fanangonana ireo fako. Fiarabe manodidina ny 30 isan’andro no miasa manangona ireo loto nefa mbola tsikaritra ihany ny fivangongon’ireo fako eto amin’ny tanàna.
Tetikasa miisa 5 voatsonga mandritra ny atrikasa hotanterahana amin’ny fiandohan’ny volana febroary no hahazo tombontsoa amin’ny famatsiam-bola hovatsian’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Comesa. Tafiditra amin’ny fampiharana ireo fifanaraham-piaraha-miombon’antoka ara-toekarena vonjimaika eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo firenena mpikambana ACP.
Foana avokoa ny sidina Air Madagascar mankany La Réunion omaly noho ny fikatonan’ny seranam-piaramanidina «Roland-Garros» any an-toerana vokatry fisian’ny rivodoza tany an-toerana.
Mbola atahorana ny fefilohan’i Fierena Toliara, araka ny filazan’ny BNGRC. Ny fiantraikany amin’ny tsy fahampiana ara-bola no antony , araka ny filazany. Ny lesoka dia noho ny tsy fahampiana ka mila miezaka ny tsirairay ary manaja ny fotodrafitrasa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.