Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 03 Janoary 2014


Ny ampahatelon’ireo voka-pifidianana tonga tamin’ireo toerana fanangonana azy ireo teto Antananarivo no tsy nikatona araka ny tokony ho izy, hoy ny fivondronan’ireo olom-pirenena SOCLE ho amin’ny fanaraha-maso sy ny fanabeazana ny olom-pirenena.

 

Lafiny tsara ny fametrahan’ireo kandida fitarainana eny anivon’ny CES, hoy i Leonardo Simao. Ilaina ihany koa anefa ny fotoana handinihana azy ireny mialoha ny handraisan’ireo mpikambana ao aminy ny fanapahan-kevitra.

 

Midangana ny vidim-bary ankehitriny mihoatra ny tamin’ny vanim-potoana 2012, hoy ny ivontoerana mikirakira ny vary. Manatombo 160 Ariary ny kilao ho an’ny fotsimbary vokatra eto an-toerana, 47 Ariary isan-kilao ho an’ny vary nohafarana avy any ivelany ary 72 ariary ny kilaon’ny vary akotry.

 

Tsy mbola atahorana ny hahatondraka ny lemak’Antananarivo, hoy ny APIPA. 1,04 metatra, ohatra, ny reniranon’i Sisaony eny Ampitatafika raha 46,82m i Mamba araka ny fandrefesana eny Ambohidroa ny 31 desambra lasa teo.

 

Nisongadina ny gadon-kira mafana tamin’ny fetin’ny faran’ny taona, hoy ireo toeram-pivarotana mozika eto Antananarivo, izay tena nahasarika ireo mpanjifa tokoa. Artista voatsonga manokana tamin’ireo sangan’asany izay be mpankafy ohatra i Barinjaka.

 

Mbola mitohy hatramin’ny 05 janoary 2014 ny hetsika tombola M’Vola. Maherin’ny 1.500.000 Ariary isan’andro ny loka hozaraina ho an’ireo mpanjifa ny tolotra toy ny tablette na clé Telma sy ny maro hafa. Efa 150 mahery ireo mpampiasa ny M’Vola voasarika tsara vintana.

 

Misy andro ratsy vaovao miforona indray amin’izao fotoana. Mety hiofo ho rivodoza izy anio. Ilay rivodoza Bejisa moa dia efa lasa tanteraka. Nanorana maharitra ny faritra maro teto an-drenivohitra halina.

 

Marefo ankehitriny ny fahasalaman’ny praiminisitra israeliana teo aloha, Ariel Sharon. Efa 8 taona izao no tsy nahatsiaro tena ny lehilahy noho ny aretin’ny voa nandazo azy. 85 taona izy ankehitriny.

 

Ramano F sy Rabeso

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT