Efa miverina ankehitriny ny zotram-pitaterana laharana 163 mankeny Ambohimangakely. Nampihantona ny fifamoivoizana mampitohy an’Ankadikely sy Alasora moa ny kaoperativa Mirindra noho ny fitokonana notanterahan’ireo mpitatitra zotra E.
Ireo vary vietnamianina ihany no tsy nahitana fiakaram-bidy ny volana oktobra sy novambra, hoy ny ivontoerana mikirakira ny vary. Anton’io ny fampiharana ny politikam-pitahirizana hanohanana ireo vidim-bary iraisam-pirenena.
Tsy ampy 10,5% ny vinavinan’ny fidiran-ketran’ny sampandraharaha foibe nandritra ny telovolana faharoan’ity taona 2013 ity na dia tsara noho ny tamin’ny taon-dasa aza. Nihena mantsy ny tontolon’ny fampiasam-bola noho ny raharaham-pirenena misy ankehitriny.
Mila mihatra manomboka amin’ity volana janoary 2014 ity ny fandaharam-potoanan’ireo firenena nanasonia ny fifanaraham-piaraha-miombon’antoka ara-toekarena miaraka amin’ny Vondrona Eoropeanina mahakasika ireo vidin-javatra. Manahy ny fampiharana azy io ireo mpandraharaha eto Madagasikara noho ny fitotongan’ny sandan’ny Ariary.
Am-periny amin’ny fanavaozana ireo toeram-piantsonan’ireo fiara fitaterana 119, 128, 166, 160 ary 187 eny Ankatso ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Tanjona ny hampihena ny toham-pifamoivoizana ka haharitra hatramin’ny faran’ny volana janoary 2014 ny asa.
Vonona ny hamatsy ireo asa fanamboarana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra ny tahirim-bola kowesianina. Mitentina 38,2 arivo tapitrisa Ariary ny tetibola ampiasaina amin’izany izay heverina azo hifamezivezena amin’ny faran’ny taona 2016.
Ny 20 janoary 2014 no hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaikan’ireo solombavambahoaka ny CENI-T.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.