Manana ny zo feno amin’ny fanapahan-kevitra izay horaisiny ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana taorian’ny fanafoanana ilay didim-pitondrana laharana 2013-593 tamin’ny 06 aogositra 2013, araka ny fanapahan-kevitra nampahafantarina ny besinimaro nivoaka ny 27 desambra lasa teo. Nanamarika ihany koa ny CES fa hisy ny fanapahan-kevitra fanafoanam-bato azon’ireo kandida na ny fanalana an-daharana raha ilaina izay mifanaraka amin’ny lalàna velona manan-kery.
Na dia foana aza ny fepetra tsy ahafahan’ny jeneraly Camille Albert Vital mivoaka ny any ivelany dia tsy tokony handao an’i Madagasikara ny tenany, hoy ny Tale jeneralin’ny Samifin. Mbola mitohy mantsy ny fanadihadiana mikasika ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 350 tanterahin’ny sampandraharaha mpanara-maso ny famatsiam-bola miady amin’ny famotsiam-bola.
Manodidina ny telopolo ankehitriny ny fitarainana mikasika ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka miaraka voarain’ny Ces. Anio amin’ny 5 ora hariva moa ny fe-potoana farany azo andraisana ny fitarainana momba ny fifidianana notanterahana ny 20 desambra 2013 lasa teo.
Efa eo am-pamaranana ny fanisam-bato ankehitriny, hoy ny masoivoho amerikanina ka asaina ireo kandida sy antoko politika hanaraka ny lalàna misy momba ny fifidianana ka hitondra ny fitarainana eny amin’ny CES mialoha ny 31 desambra. Nampahery sy niantso ireo manampahefana Malagasy ny solontenan’i Etazonia hanohy ao anatin’ny filaminana sy mangarahara ny fanisam-bato mba ho vokatra azo atokisana no hivoaka eo.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Fiombonana Marobiby Itaosy omaly alatsinainy 30 desambra tamin’ny 1ora 30mn maraina. Dimy lahy izy ireo. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana. Vola 80.000Ar sy finday iray no lasan-dry zalahy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.