Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013


Nisy andian-drahona matevina niforona tany amin’ny tapany avaratra atsinanan’i Madagasikara ny faran’ny herinandro lasa teo. Efa nitondra orana tany an-toerana izany izay tsy niato nandritra ny telo andro.

 

Mitaraina amin’ny fahatapahan’ny herinaratra avy amin’ny Jirama ireo mponina amin’ny Fokontany maro eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny mpampiasa jiro ao Ambatonilita, Anjanahary sy Ambohitrarahaba. Maharitra 10 minitra isan’ora izany ny andro izay mitohy amin’ny alina.

 

Tsy mandeha toy ny isan-taona ny tsenan’ny kaoperativan’ny mpitatitra mihazo ny faritany amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Efa nampidina ny saran-dàlana anefa izy ireo raha tsy hilaza ny mankany Toamasina izay lasa 10.000 ankehitriny raha 18.000 Ariary teo aloha na ny mihazo an’i Mahajanga izay nidina 20.000 raha 25.000 Ariary.

 

Famatsiam-bola mitentina 5 tapitrisa dolara amerikana no tokony ho azon’i Madagasikara avy amin’ny Tahiry momba ny tontolo iainana misahana ny fitantanana ny morontsiraka amin’nyfaritr’i Menabe, Vatovavy Fitovinany ary Atsinanana amin’io taona 2014 io. Natokana ho amin’ny tetikasa iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro mandritra ny 5 taona io famatsiam-bola io.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT