Actualités

Tapatapany


  • Sabotsy 28 Desambra 2013


Misy fiantraikany amin’ny tsy fandriampahalemena eto Madagasikara ny vanim-potoanan’ny fifidianana, hoy ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay. Anisan’izany ny fihetsiketsehana sy ny mety fihoaram-pefy, hoy ny Quai d’Orsay amin’ireo teratany vahiny mitsidika eto amintsika.

 

Laharam-pahamehana ho an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny fampikarana ny vola miditra, hoy ny lefitra voalohan’ny delegasiona manokana eto Antananarivo, Rasamimanana Olga. Ahafahana manatanteraka izany ireo hetran-tany, ny saram-piantsonana ary ny haba aloan’ny mpivarotra.

 

Mitohana tanteraka ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, hoy ireo tompon’andraikitry ny tanàna. Mahatratra hatrany amin’ny 25% ny fiakaran’ny saram-pitaterana ampiharin’ireo fiarakaretsaka.

 

Sandaina 60.000 Ariary ny vorontsiloza iray eny an-tsena ankehitriny. 50.000 Ariary ny gisa raha 30.000 Ariary ny gana. Manodidina ny 10.000 hatramin’ny 15.000 Ariary kosa ny vidin’ny akoho.

 

Miisa 720 ireo tambazotra miaro ny ankizy miara-miasa amin’ny Unicef eto Madagasikara ankehitriny. Olona 2.596 no efa nitsidika ireo ivon-toerana fihainoana sy fiarovana ireo eto an-drenivohitra ka 24% no ankizy, 22% no zatovo ary 54% no olon-dehibe.

 

Nahatratra 5.138 no isan’ireo fiara nahazo laharana teto Antananarivo nandritra ny telo volana fahatelo tamin’ity taona 2013 ity. Nitombo 26,5% io tarehimarika io mihoatra amin’ny telo volana faharoa izay niisa 4.062.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT