Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 27 Desambra 2013


Afa-po amin’ireo ezaka vita niadiana tamin’ny firongatry ny valala eto Madagasikara ny fikambanan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena. Tamin’ny faran’ny volana novambra lasa teo, izany hoe volana iray latsaka taorian’ny fanombohana ireo hetsika rehetra dia toeram-panatodizana sy andiam-balala tamin’ireo velaran-tany 50.000 hekitara no fongotra.

 

Ny 40%n’ny antony hamonjana ireo zaza tsy ampy taona ao amin’ny sekoly fanabeazana eny Antanimora dia resaka fanolanana, halatra ary famonoana olona. Maro amin’izy ireo no miandry fotsiny ny fotoam-pitsarana. 

 

Nanomboka tamin’ny tapaky ny volana novambra 2013 no nihoatra ny 3.000 Ariary ny sandan’ny vola Euro iray. Nandritra ny 10 volana voalohany tamin’ity taona ity kosa dia voatazona ho latsak’io vidiny ankehitriny io hatrany izany.

 

Ny taona 2013 no nanafaran’i Madagasikara vary avy any ivelany betsaka indrindra, hoy ny sampan-draharaha foiben’ny fadin-tseranana. 284.000 taonina no vary vahiny tonga teto amintsika ny nanomboka ny volana janoary hatramin’ny oktobra 2013. Efa mihoatra 80.000 taonina raha ampitahaina amin’ny fanafarana rehetra tamin’ny 2012.

 

Tsy hilatsaka mihitsy ny orana mandra-pahatongan’ny alahady 29 desambra ho avy izao eto an-drenivohitra, hoy ny sampan-draharaha mahafantatra ny toetr’andro eny Ampasampito. Mety hiakatra hatrany amin’ny 37°C kosa ny hafanana eto afovoan-tany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT