Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 26 Desambra 2013


Mifanohitra amin’ny andininy faha-15n’ny sori-dàlana izay mitaky ny tsy fitanilàn’ireo mpitondra tetezamita sy ny andininy faha-45 n’ny lalàna mifehy ny fifidianana mandrara ireo manam-pahefana politika handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny didim-panjakana laharana 2013-593 tamin’ny 06 aogositra 2013, hoy ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Afrikana. Hamakafaka lalina azy io ity vondrona ity mialoha ny hanaovany tatitra farany amin’ny mpitondra malagasy.

 

Nisy ny fanitsahana ny tsy fitanilàna voarakitry ny sori-dàlana sy ny lalàna mifehy ny fifidianana, hoy ny fanambarana savaranonandon’ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy ammin’ny Vondrona Eoropeana. Mila jerena manokana ihany koa ny fampiasam-bolan’ireo kandida amin’ny fifidianana manaraka mba hisorohana ny fampiasam-bola mihoam-pampana, hoy ny fanazavana.

 

Ilaina ny fiaraha-miasan’ireo hery velona rehetra hamerenana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fanajana ireo zo fototra maha-olona. Zava-dehibe ny foto-pisainana mifototra amin’ny fihavanana ho faneranana ny toekarena malagasy sy ho fanombohana ny fanatsarana ny fiainan’ny mpiara-belona. Ireo no vontoatin’ny fanambarana navoakan’ny masoivoho amerikana.

 

Tsy hay izay nahazo ity zandary mpiambina banky iray amin’ny Bd Joffre Toamasina, fa teo ampiarahabana olona izy no nipoaka tampoka ny basy kalaky teo aminy. Soa aloha fa tsy nisy ny naratra sy maty fa ny hatairana sy ny tahotra no betsaka teo amin’ireo olona nanodidina.

 

Mangataka amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeana ny hamoahan’ity farany amin’ny tranokalany ireo voka-pifidianana roa amin’ny antsipiriany, izany hoe isaky ny birao fandatsaham-bato.

 

Ireo mpanara-maso iraisam-pirenena misahana ny fifidianana avy amin’ny “Centre Carter” izay fikambanana mahaleotena tsy miankina no novatsian’i Etazonia vola nandritra ny fifidianana roa karazana notanterahana ny 20 desambra lasa teo. Niara-niasa akaiky tamin’izy ireo ny EISA. 

 

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT