Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013


Misy ny asa fanamboarana ny lalana Printsy Kamamy mampitohy ny fiangonana Fjkm Miandrarivo Ambanidia sy ny toerana Ratsizehena Ramampanjaka ataon’ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny rahampitso talata 24 desambra 2013. Tapaka noho izany ny fifameziven’ny fifamoivoizina eo amin’io faritra io ka mila manaraka ny fandaminana napetraka ny mpampiasa io lalana io.

 

Mpanara-maso miisa 1.550 avy amin’ny fivondronan’ny fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena Mahitsy Fijery no niparitaka tamin’ireo Distrika 119 nandritra ny fifidianana. Folo andro aorian’ny andro fandatsaham-bato farafahatarany no hanao tatitra mikasika ireo iraka notanterahany izy ireo.

 

Naka fepetra fanamafisana ny fitandroana ny filaminana mikasika ny tranokala fampiasany ny CENI-T. Nafindra eny Alarobia ny atidoha mikirakira ireo voka-pifidianana mba hialàna amin’ny hosoka izay efa nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

 

86 no isan’ireo olona voan’ny pesta eto Madagasikara. 39 no fantatra fa maty hatramin’ny volana septambra teo. Distrika 5 amin’ny 119 misy no voakasik’ity aretim-boalavo azo avy amin’ny loto ity.

 

Anisan’ny nankatoavina tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny tetikasa fanajariana ireo fotodrafitrasa momba ny lalana mampitoka-monina ny tapany Atsimo Andrefan’i Madagasikara iny. Mitentina 70 tapitrisa dolara ity tetikasa ity.

 

Anisan’ny mampidi-bola vahiny eto amin’ny firenena malagasy ny sehatry ny asa tanana. Mahatratra hatrany amin’ny 15% no fandraisany anjara ara-toekarena amin’izany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT