Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 21 Desambra 2013


Ny 07 janoary 2014 farafahatarany no hamoaka ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodianana faharoa vonjimaika ny CENI-T. Hanomboka ny 19 janoary kosa ity Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity vao hanome ireo vokatra vonjimaika momba ny fifidianana solombavam-bahoaka.

 

Andrasana anio sabotsy ny tatitra savaranonando avy amin’ny irak’ireo firenena miteny frantsay manara-maso ny fifidianana eto Madagasikara. Rahampitso alahady kosa no samy hanatanteraka izany ry zareo avy amin’ny iraka mpanara-maso ny fifidianana ao amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny EISA miaraka amin’ny «Centre Carter».

 

Tara vao nisokatra ny birao fandatsaham-bato tao Fenoarivo, Distrikan’Ikalamavony. Nisy mantsy ny ireo dahalo mpangalatr’omby tany an-toerana ka nifandrimbona nanenjika azy ireo ny vatan-dehilahy rehetra.

 

Nanodidina ny 30% ny salan’isa-pahavitrihan’ny mpifidy tao Betroka omaly nanodidina ny mitatao vovonana. Toerana fandatsaham-bato iray kosa no notafihan’ny dahalo mpangalatr’omby ka tsy tontosa ny fifidianana noho ny fahasimban’ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fandatsaham-bato.

 

 20% no taha-pahavitrihan’ny mpifidy tao Atsimo Andrefana tamin’ny 12 ora atoandro. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotran’ny fifidianana tao amin’ny faritra, araka ny vaovao voahangona.

 

13% tamin’ny ankapobeny ny salan’isa n’ireo mpifidy efa naneho ny safidiny tamin’ny 10 ora maraina tamin’ireo faritany 4 amin’ny 6 dia Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga ary Fianarantsoa. Maherin’ny 7% kosa izany hoan’ny faritanin’i Toliara sy Toamasina.

Mbola maro ireo mpifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra na dia efa nisy aza ny lisi-pifidianana tovana ho fanampiana ireo very zo tamin’ny fihodinana voalohany.

Tapaka nanomboka ny alakamisy teo ny herinaratra ao Antsirabe. Efa niresaka sy nitady vahaolana niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika sy ireo tompon’andraikitry ny Jirama ao an-toerana ny CENI-T. nampanantena ireto farany fa tsy ho tapaka ny jiro mandritra ny fanisam-bato.

Tsy nahasakana ireo mpifidy ao Antsirabe I ny firotsahan’ny orana. Tamin’ny 3 ora sy 25 minitra dia efa nahatratra 50% ny salan’isam-pahavitrihana.

 Lafarinina 92.680 taonina, menaka 41.300 taonina ary siramamy 101.400 taonina no nafaran’i Madagasikara nanomboka tamin’ny volana janoary hatramin’ny oktobra 2013, hoy ny mpikirakira ny antontan’isan’ny fadin-tseranana malagasy.

Nahatratra 608 ny fitarainana voarain’ny Bianco Antsiranana tamin’ity taona 2013 ity raha 461 ny taona 2012. 47 amin’ireo no efa eny amin’ny fitsarana. 408 kosa no fitambaran’ireo filazam-pananana voarain’ity birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly any avaratra ity.

 

 

Mandalo fizahana teknika hatramin’ny 22 desambra 2013 ny fiaramanidina Airbus A340-300 an’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar mampitohy ny zotra any Eoropa. Hitatitra ireo mpandeha hihazo an’i Eoropa mandritra io fotoana io ireo fiaramanidina roa B 777 an’ny Air Austral sy EuroAtlantic.

 

Efa nahazo ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamorana ny fanangonana sy fitaomana fako avy amin’ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana ny Kaominina Antananarivo renivohitra, tamin’ny alalan’ny Samva.

 

Tanora an-jatony mirotsaka an-tsitrapo 20 hatramin’ny 25 taona tena sahirana no hiasa hanadio ny tanànan’Antananarivo mandritra ny telo volana. Mifanindran-dàlana amin’io asa fanadiovana maika ny renivohitra io ny fanohanana ara-bola amin’ny famoronana asa manokana ho azy ireo tohanan’ny Pnud.

 

30 hatramin’ny 50% isan’andro ny fatiantoka fidiram-bola mihatra amin’ireo fiara mpitatitra olona ankehitriny. Anton’izany ny fitohanana lavareny eny amin’ny fifamoivoizana.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT