Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 17 Desambra 2013


Ny Fikambanana mpanao asa soa  “FANDROSOANA", tarihan’Atoa Rajerisona Honoré Gilbert, dia manohana tsy misy fepetra ny Kandidà Dr Robinson Jean Louis, laharana 33, ho filoham-pirenena satria izy dia olona efa voasedra tamin'ny andraikitra lehibe naha Minisitra azy, tsy olona mpanao kobaka am-bava fa olona miasa sady mahomby eo amin'ny ataony. Azo antoka hitondra fampandrosoana marina ivoahana amin'izao krizy fa manana Dinam-piarahamonina mazava. Ka aza adinoina, amin'ny zoma 20 Desambra 2013, hiaraka hifidy an’i Robinson miaraka amintsika vahoaka  ny fikambanana « Fandrosoana ».

 

Hanohy ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny toerana eny Antsonjombe indray rahampitso  ny tarik’i Andry La Pie izay kandidà solombavambahoaka lah-15 ao amin’ny Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra. Nomarihiny fa na dia tsy niseho nivantana loatra aza ny tenany dia anisan’ny manohana tsy nisy fepetra ny kandidà Robinson Jean Louis hatramin’ny fihodinana voalohany.

 

Vita omaly alatsinainy teny amin’ny hotely Colbert ny sonia fifanarahana famatsiam-bola ho an’ny taona 2014 hiasan’ny “Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar” sy ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana eto Madagasikara. Mitentina 2.056.613 dolara amerikanina izany. Nisy moa ny atrikasa nandinihana izany mialoha io fanaovan-tsonia io.

 

Nanomboka omaly alatsinainy no nivoaka ny lisi-pifidianana fanampiny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI-T, Attalah Béatrice. 1,83% amin’ireo mpifidy no tafiditra ao amin’io lisi-pifidianana fanampiny io, hoy ny fanampim-panazavana.

 

Distrika 92 amin’ireo 119 no efa naharay ireo fitaovana ilaina amin’ny fifidianana hotanterahana ny 20 desambra ho avy izao. Any amin’ireo toby miaramila miandraikitra ny filaminana no izy ireo mialoha ny hitaterana azy any amin’ireo birao fandatsaham-bato.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT