Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013


Manana hatramin’ny 31 desambra ireo mpianatra malagasy manohy fianarana any China vatsian’ny fanjakana malagasy handoavana ireo karazan-trosa tsy voaloa amin’ireo oniversite any an-toerana. Aorian’io fe-potoana io dia hihatra amin’izy ireo ny sazy fandroahana avy hatrany ankoatra ny China University of Geosciences Wuhan.

 

Foana ny toeram-pisakafoanana eny anivon’ireo sekolim-panjakana ambaratonga voalohany eto an-drenivohitra nanomboka tamin’ity taom-pianarana 2013-2014 ity. Antony ny tsy fisian’ny tetibola natokana ho amin’izany.

 

Mahatratra 3 hetsy isan-taona ireo tanora tokony hiasa no manao asa tsizarizary. Ankehitriny dia maherin’ny 3 tapitrisa ny Malagasy no tsy manana antom-pivelomana, araka ny tatitry ny Birao Iraisam-pirenena misahana ny Asa.

 

Nidina ny isan’ireo mpiasa teny anivon’ny seha-panjakana sy ny sehatra tsy miankina nandritra ity taona 2013 madiva hifarana ity. 11,9% sy 2,6% ireo taha roa ireo mihoatra ny tamin’ny taona 2012.

 

Antony iray goavana tsy nahafahana nandoa ny karaman’ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny volana novambra 2013 ny nampidinana ho 47% ny tetibolan’ny ministeran’ny Fahasalamana. Voakasik’izany ireo mpianatra manatanteraka asa ao amin’ny tobim-pitsaboana miisa 800.

 

 

Malagasy 59.000 no mitondra ny tsimokaretina VIH amin’izao fotoana izao. Voarakitra ao amin’ny antontan’isa fa 1.700 no isan’ny Malagasy matin’ny Vih/Sida tamin’ny taona 2009.

 

Vita omaly alahady tany Qunu Afrika atsimo tanànan’ny fahazazany ny fandevenana an’i Mandela Nelson. Manampahefana 4500 manerantany no voaasa manokana nanotrona farany ny nofo mangatsiakany. Tamin’ny fomba manetriketrika no nanatanterahana izany. Marihina fa 95 taona ity rain’ny ady amin’ny fanavakavaham-bolonkoditra ity izao lasa izao tamin’ny alakamisy 5 desambra  2013.

 

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Vonison Andrianjato
  • Zoma 05 Jona 2026

«Mila fanjakàna mafy ahazoana firenena matanjaka»

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • Mamitiana Rajaonarison
  • Zoma 05 Jona 2026

Praiminisitra faha-31 hatramin’ny andron’i Ranavalona

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT