Hisy vavaka ho fialantsasatry ny fanahin’i Nelson Mandela hatao amin’ny EKAR Saint François Xavier, Antanimena rahampitso alahady 15 desambra 2013 amin’ny 3 tolakandro, hotarihin’ny FFKM. Ho avy hiombom-bavaka amin’izany ireo solontenan’ny firenena vahiny sy ny mpikamban’ny governemantan’ny tetezamita.
Hifanome tanana amin’ny fanadiovana ireo lakandrano eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ry zareo avy ao amin’ny APIPA. Nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ny andinindininy momba izany omaly teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.
Hanomboka rahampitso alahady 15 desambra 2013 eny Mahamasina ny «Bazar de Noël» karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpivarotra 1.400 andrasana.
15 taona nanabeazana ny ivontoerana «Institute of management technology ». Misy 3 ireo tsangambato fanamarihana izany dia ny famoahana ny indray mihira «Winner» izay andiana mpianatra faha-14 navoakany. Manana ny mari-pahaizana licence izy 18 mianadahy vao navoaka ireo.
Ny fakiolten’ny fitsaboana Ankatso no handray ireo mpianatra mpitsabo mpanampy taona voalohany manomboka amin’ny 2014. Hiparitaka any amin’ireo ivontoeram-piofanam-paritra kosa izy ireo manomboka amin’ny taona faharoa. Izany no natao dia ho fampiharana ny rafitra LMD.
Hifarana anio sabotsy 14 desambra 2013 eny amin’ny IFM Analakely ny fifaninanam-pirenena hivoizana ny gadona slam izay naharitra herinandro. Nanamarika ity hetsika ara-java-kanto ity ihany koa ny nahafahan’ireo mpandray anjara nitsidika ny tanànan’Antananarivo nokarakarain’ny ORTANA.
Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 18 hatramin’ny23 Desambra 2013 ho avy izao ny hetsika ara-barotra « La Grande Braderie ». Hifantoka tanteraka amin’ny fetin’ny Noely ity hetsika ity, hisy arak’izany ireo karazan’entana maro amin’ny fihenam-bidy ny 15% ka hatramin’ny 50% ny fihenam-bidy amin’ireo tranoheva mahatratra 300 sy mpampiranty 250.
Yves sy Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.