Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 12 Desambra 2013


Mitsingerina amin’ity 12 desambra ity ny taona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana. Feno 64 taona katroka izy ankehitriny. Tao anatin’ny dimy taona nisesy izao dia any Afrika Atsimo ny tenany no mankalaza izany fetiny izany. Izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana dia miarahaba azy ho lava velona ary koa mirary soa lalandava ho tahian’Andriamanitra amin’ny fikasana tsara ao aminy hampandrosoana an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.

 

Ny mpampianatra tsy mahazo karama, ny mpianatra manao tsidi-pahitra ny sekoly noho antony maro samihafa. Izay no zava-misy ao amin’ny Lycée teknika ao Tolagnaro ankehitriny. Tsy mazava ny tokotanim-bola sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny ka mety hitarika amin’ny fitokonana raha tsy misy ny fepetra raisin’ny ministera mpiahy, araka ny fanazavan’ireo mpampianatra maromaro raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ny alarobia teo.

 

 

Nisafidy an’i Toamasina ireo mpikamban’ny JCI na "Jeune Chambre International" notarihan'ny filohany Atoa Flacheur nentin’izy ireo nankalaza ny faha-69 taona niorenan’ny fikambanana tanora ity maneran-tany, ny 11 desambra 1944 tany Mexico City. Nanolotra seza sy latabatra tao amin'ny sekolin-jaza Anjoma izy ireo tamin’izany.

 

Manerana ny faritra ny fitsaram-bahoaka ankehitriny. Raim-pianakaviana namono ny vadiny indray no saika niharan’ny hatezeran’ny olona tany Antanimasanjy Mahajanga ny talata lasa teo. Ny mpitandro ny filaminana no nandefa azy nitsoaka ka nahatezitra ny besinimaro

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT