Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 11 Desambra 2013


Nisy filankevitry ny governemanta teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo omaly. Nitarika izany ny praiminisitra Beriziky Jean Omer. Nandritra ny filankevitry ny minisitra farany, nialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka anefa dia tapaka fa hiantona aloha ny filankevitry ny governemanta sy minisitra mandritra ny fampielezan-kevitra hahafahan’ireo minisitra manotrona kandida.

Nilaza ny praiminisitra Beriziky Jean Omer omaly, fa tokony hanaja ny tsy fiandaniana ireo lehiben’ny andrimpanjakana amin’izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao mba hampitovy lanja sy herijika ny kandida hiatrika fifidianana.

Andro tsy iasana nefa andraisan-karama ity 11 desambra ity, fotoana nofaritan’ny fitondrana  tetezamita hankalazana isan-taona ny nahaterahan’ny Repoblika faha-4

Nijojo tsy nijanona ny orana teto an-drenivohitra nandritra ny alina. Vokany, dibo-drano ny faritra Besarety, Anosy, Petite Vitesse hatreny Anosibe. Maro ireo fiara taraiky tsy maintsy natosika. Ahiana ho maro ny tany hihotsaka.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT