Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013


Distrika 70 amin’ireo 119 no efa nahatonga ireo lisi-pifidianana fanampiny eny anivon’ireo ivon-toeram-paritra mpikirakira izany, araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Ceni-T, Attalah Béatrice. Distrika telo kosa no tsy nikitika ireo lisi-pifidianany hiatrehana ny fandatsaham-bato amin’ny 20 desambra 2013. Vinavinaina ho 7.963.648 eo no ho isan’ireo mpifidy voasoratra anarana rehetra miampy ireo lisi-pifidianana fanampiny, hoy ny fanampim-baovao avy amin’ity Vaomieram-pifidianana ity.

 

Hifarana ny 13 desambra ho avy izao ny fivoriana ara-potoanan’ireo Antenimiera roan’ny tetezamita. Rava avy hatrany ireo andrim-panjakana ireo aorian’ny naha voafidy ireo solombavambahoaka vaovao.

 

Ny 80%-n’ireo mpiasa Malagasy no zara fa mikarama satria mandray vola latsaky ny 100.000 Ariary isam-bolana na 33 euros, hoy ny tatitra navoakan’ny fikaonandohan’ny Firenena mikambana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana na CNUCED.

 

Nitombo avo roa heny ny tahan’ireo olona voan’ny tsimok’aretina Vih/Sida eto Madagasikara, hoy ireo fikambanana misahana ny ady atao amin’ity areti-mandoza ity. Mahatratra 53.000 ireo Malagasy miaina miaraka amin’ny tsimokaretina Vih ankehitriny.

 

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT