Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 10 Desambra 2013


Nahitsy ny hafatra nomen’ny minisitry ny fahasalamana mpisolo toerana, Rtoa Vaomalala Olga  ho an’ireo zatovovavy pom-pom girls nampiseho fihetsika sahisahy  nanoloana ireo manampahefana tamin’ny lanonana ofisialy fanamarihanana ny andro iraisam-pirenena natokana hiadiana amin’ny Sida natao tany Antsirabe ny sabotsy 7 desambra teo. “Mba ho fihetsika ho fanilihana ny Sida anie ireny fampandihizana andilana sy fitombenana ataonareo ireny fa tsy sanatria ho fihetsika fiantsoana ny fahazoana izany tsimokaretina izany indray sanatria”, hoy izy.

 

Nomarihana tao Toamasina omaly 09 desambra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. “Antoky ny fahombiazan’ny ady amin’ny kolikoly ny fahavononan’ny mpitondra fanjakana sy ny olom-pirenena rehetra”, no lohahevitra nentina nankalazana izany tamin’ity taona ity.

 

Nihemotra ny laharan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Na izany aza dia nanamarika ny Bianco fa minisitra efatra sy Sekretera jeneralina ministera roa ary tompon’andraikitra maro teo anivon’ny tetezamita no efa nahavitan’izy ireo fanadihadiana sy famotorana. Efa natolotra ny “Chaine pénale” fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly ny raharaha rehetra.

 

Samy naneho ny fahavononany ho amin’ny fanohizana ny asa fampandrosoana na ny lehiben’ny Faritra Anosy vaovao na ny Kly Fanomezana Israel na ny PDS-n’ny Kaominina ambonivohitra Tolagnaro Andriamaro Jovain Thomas. Ny zoma 06 desambra teo no napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerana nanendrena azy avy izy mirahalahy ireo.

 

Hatairana ny an’ny mponina tao Vatomivarina, Kaominina Ifarantsa, Distrikan’i Tolagnaro ny zoma 06 desambra  tolakandro teo. Nikotroka ny andro ary omby telo no indray nilatsaham-baratra ka maty tsy tra-drano. Tsy nisy kosa ny ain’olona nafoy. Nifandrombahan’ny mponina ny nividy sy naka ny nofon’ireo omby maty.

 

Notoloran’ny fikambanana AJDM (Association des Jeunes pour le Développement de Madagascar) finday ireo filoham-pokontany miisa 138 ao Toamasina omaly. Toky efa nataon’ny AJDM io hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny samy filoham-pokontany amin’ny asany sy hanamorana ny fiantsoana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana.

Nimenomenona ny mponina mampiasa ny lalana « digue » ho any Andohatapenaka omaly. Nahatratra oratelo mahery ny fitohanana farafahakeliny vokatry ny fanamboarana ny ampahan-dalana Vatobe hatreo amin’ny Coco plastika Andohatapenaka. Haharitra andro maromaro ny fanamboarana, hatao tara manontolo ilay rarivato.

Nandrava zavatra maro ilay orana narahin-drivotra nomban-kotro-baratra tamin’ny alahady hariva. Ny teny Alasora sy Ambohitsoa dia potiky ny havandra ny voly sy ny fiompiana. Ny teny Ankadindratombo indray dia niala hatramin’ny andrinjiron’ny jirama. Ny ankamaroan’ny tanàna saika nanerana ny faritra dia ny fahatapahan’ny jiron’ny jirama. Nisy ny maraina tsy mbola niverina. Ny tetsy mahamasina indray dia trano roa no nianjeran’ny hazo.

Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT