In-droa miantoana ny fanatanterahana ny latsa-bato ny andron’ny 20 desambra. Mandeha mialoha ny filoham-pirenena izay arahin’ny solombavambahoaka. Noho izany dia vata fandatsaham-bato roa no hita ao anatin’ny biraom-pifidianana.
Tsy raikitra indray ny fampisehoana tokony hataon’ilay mpanakanto frantsay Maître Gims, karakarain’ny fikambanana Ezaka Atsimondrano, ny 6 desambra. Avy amin’ilay mpanakanto ny antony, ary dia hahemotra ho amin’ny volana janoary 2014 any indray.
Rivodoza miisa 3 no hipaka eto Madagasikara mandritra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, hoy ireo manampahaizana momba ny toetr’andro. Ho mahery fiavy ny iray amin’izy ireo izay vinavinaina handalo eto amin’ny faran’ny volana martsa na amin’ny fiandohan’ny volana aprily 2014.
Hifamotoana amin’ireo fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo anio ireo tompon’andraikitra mitantana ny CROUA Antananarivo. Hiadian-kevitra mandritra izany ireo olana sedrain’ny mpianatra.
Resin’i Angola tamin’ny isa 5 no ho 1 ny Barea Akademia, nandritra ny lalao baolina kitra sokajy latsaky ny 20 taona, natao omaly tany Lesotho tafiditra amin’ny Cosafa. Hihaona amin’i Mozambika ny lalao manaraka hatrehin’ny Barea rahampitso zoma.
Lasa niverina eny amin’ny digin’Anosipatrana indray ny fanariam-pako amin’izao fotoana. Fofona tsy laitra iainana na maraina na antoandro na alina raha mandalo eny. Efa nahazo pds lefitra ankehitriny ny tanàna ka maniry ny hanafoanana io ny mponina
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.