Hanomboka anio alina ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny adihevitra hifanandrinan’ireo kandida roa amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Lohahevitra miompana amin’ireo olana ara-toekarena, sosialy ary ny lafiny fandriampahalemana no hovoaboasan’ny kandida dokotera Robinson Jean Louis sy Rajaonarimampianina Hery mandritra ny minitra maromaro.
Nanao fanambarana ofisialy Randriamampionana Joseph Martin na Dadafara fa hanohana ny kandida Rajaonarimampianina Hery satria io no tanora manana ny tanjaka hitondra ny firenena sy heveriny fa afaka hitondra ny firenena hiarina amin’izao lavaka misy azy izao.
Tsikaritra ny fiakaran’ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro izay nanodidina ny 10% ny salan’isa tao anatin’ny andro vitsivitsy. Fomban-javatra ihany izany rehefa manakaiky ny fetin’ny faran’ny taona, hoy ireo mpivarotra izay nanamafy ny mbola hisondrotan’izany.
Manatanteraka asa fanadiovana ireo lakandranon’Andriantany ankehitriny ny APIPA. Tsy nisy mihitsy nandritra ny fito taona farany ny fanadiovana ifotony noho tsy fahampian’ny vola hanatanterahana izany, hoy ireo tompon’andraikitra.
Efa manomboka miasa eto amintsika ny pasipaoro elektronika izay misanda 110.000 Ariary. Mbola azo ampiasaina ary manankery hatramin’ny faran’ny taona 2014 kosa ny pasipaoro biometrika, hoy ny ministeran’ny Atitany.
Atahorana ny fahasalamana ara-tsain’ny 70%n’ireo voafonja, araka ny fanadihadiana nataon’ny Vondrona Eoropeanina. Anton’izany ny fahamaroan’isan’ireo gadra mihoapampana eny amin’ny fonja. 50%-n’izy ireo mantsy dia miandry fotsiny ny fotoam-pitsarana.
Tafatsangana any Mahajanga ny ivontoerana fanofanana tanora hilalao baolina kitra, ny Boeny Formation santatry ny fanapariahana ny sampana Tanà Formation any amin’ny Faritany. Nambaran’ny filohan’ity ivontoerana ity, Atoa Rasoamaromaka Hery, fa hotokanana mialoha ny faran’ny taona 2013 izao ity ivontoerana any Mahajanga ity.
Tsikaritra ankehitriny fa afangaron’ireo mpametaka afisy ny kandida filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Tsy azo atambatra anefa ireo, araka ny lalàna. Misy koa ireo mametaka ny kandidany amin’ny boriborintany hafa mihitsy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.