Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 03 Desambra 2013


Tontosa ny zoma lasa teo ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny faritra Anosy teo aloha Randriatefiarison Guillaume Vénance sy ny vao notendrena handimby toerana azy, Kolonely Rahovelson Fanomezana Israël. Nilaza ity farany fa tsy maintsy hisy fanovana eo amin’ny mpiara-miasa ho fanatsarana ny asa. Na izany aza dia vonona hiara-miasa amin’ny rehetra ny tenany.

 

Ho tonga anio ny ampahany voalohany amin’ireo bileta tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Anjaran’ireo Distrika 80 amin’ny 119, heverina fa saro-dalana ireto ho tonga ireto. Rahampitso 04 desambra ihany dia hanomboka ny fitsinjarana azy ireo.

 

Nanao fanambarana ireo parlemantera mivondrona ao anatin’ny «Solidarité parlementaire pour l’avènement d’un véritable changement» omaly fa hanohana an’i Hery Rajaonarimampianina. Ity farany no heverin’izy ireo fa afaka hanala an’i Madagasikara amin’izao kizo misy azy izao. 

 

Dahalo maherin’ny 1 200 no fantatra fa mivondrona ho andiany iray ary mitoby ao amin’ny zohin’alan’Analamanahy any Berenty. Na dia ireo mpitandro filaminana matihanina aza tsy tafiditra ao amin’ity zohy ity, raha araka ny filazan’ny mponina any an-toerana. Tapa-bolana lasa izay dia omby 70 lasan’ny malaso ary tompon’omby roa voatifitra.

 

Manana kandida solombavambahoaka miisa 22 ny antoko Madagasikara Afaka (MAF) tarihin’ny Me Avoko Rakotoarijaona. Mitety an’i Madagasikara ity farany ankehitriny manome hery ireo kandidany ireo.

Miisa 140.000 eo ireo mpifidy efa voaisa saingy hadino ka hampidirina ao anaty lisi-pifidianana, mba ho afaka handray anjara amin’ny fifidianana hotontosaina amin’ny 20 desambra ho avy io.

10% sisa ireo ala fototra misy eto amin’ny firenena malagasy, hoy ny Alliance Voahary Gasy. Manodidina ny 0,4% kosa ireo ala ringana isan-taona.

 

Nahitana fanafihana mitam-piadiana indray teny Ankaraobato omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 1ora30mn. Voatota biriky sy voarangotry ny trident ny sandrin’ilay raim-pianakaviana raha saika hivoaka ny trano izy. Tsy nisy ny entana very na aina nafoy. Efa in-telo voaroba ity tokantrano ity ka akoho amam-borona no lasibatra tamin’ny voalohany.

 

Zazalahy 12 taona no nisy nangalatra teny  Antsahangita Ankadievo Alasora ny sabotsy tolakandro teo. Nandeha nivoaka ny trano ireto mpandroba no nanararaotra nitsoaka ity zazalahy ka avoatra. Araka ny filazany dia fiara tsy mataho-dalana no nitondrana azy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT