Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013


Nidina ny tahirim-bola vahiny ao amin’ny banky foibe, hoy ny Tale Jeneraly vonjimaika Razafimbelo Vonimanitra. Anton’izany ny fampiasana mivantana ireo tahiry ho fanampiana eo amin’ny sehatry ny solika. Mitentina 525,6 tapitrisa DTS na 811,5 tapitrisa dolara amerikanina izany ny faran’ny volana oktobra 2013 izany hoe mifanahantsahana amin’ny fanafarana entana mandritra ny 2 volana sy tapany.

 

Nahazo fampiofanana momba ny fanaraha-maso ny fifidianana tafiditra ao anatin’ny Pacem ireo mpikambana miisa 30 ao anatin’ny ekipa teknikan’ny Socle sy Mahitsy Fijery. Tanjona ny fanangonana ireo traikefa nosintonina nandritra ny fihodinana voalohany miampy ny fanamafisana ireo fahaiza-manao ara-teknikan’ireo vondrom-pikambanana roa ireo ho fanomanana ireo fifidianana roa samy hafa amin’ny 20 desambra.

 

Tsy nahafeno ny Coliseum ny mpanohana ireo kandida depiote miaraka amin’i Andry Rajoelina manerana ny Nosy omaly. Maro be anefa ireo mpanakanto nantsoina nanafana ny hetsika tao. Ny nanaitra dia ny fahasahian’i Rossy niteny boay kely ny filohan’ny tetezamita.

 

 

Ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky no hitarika ny delegasiona malagasy amin’ny Fihaonana an-tampony Frantsa-Afrika izay hotanterahana ao Paris ny 07 sy 08 desambra ho avy izao. Efa nahazo ny fanasana ofisialy avy any amin’ny Lapan’ny Elysée ny tenany.

 

Faritra mpamokatra atodim-balala ny 17 amin’ny 22 eto Madagasikara. Fotoana mampirongatra ny fahamasahan’ireo atody napetrak’ireo andiam-balala nandritra ny andro mafana ny vanim-potoam-pahavaratra.

 

 

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT