Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 30 Novambra 2013


Any Gaborone, renivohitr’i Botswana ny filohan’ny Ceni-T Attalah Béatrice ankehitriny. Miatrika fiofanana momba ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana momba ny fitantanana ireo fifidianana ho fisorohana sy ho famahana ireo olana mifandraika amin’ny fifidianana.

 

Maniry mafy ny hahatontosa ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 20 desambra izao i Japon, hoy ny mpitondra tenin’ity firenena ity ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Hipetraka faran’izay haingana mantsy amin’izay ny fanjakana vaovao mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana miaraka amin’ny fahamarinam-pototry ny demokrasia eto Madagasikara.

 

Voatazona amin’ny ankapobeny ny vidim-bary manerana ny Nosy. Niakatra anefa io sandam-bary io raha ampitahaina amin’ny vidiny tamin’ny taon-dasa, hoy ny Pard. Miabo 175 ariary isan-kilao izany ho an’ny fotsimbary avy eto an-toerana, 60 Ariary ho an’ny vary nohafarana ary nitombo 75 Ariary isan-kilao ny vidin’ny vary akotry.

 

Orana matevina matetika no handrakotra sy hiseho hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby. Mety hiteraka fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva izany.

 

Mandany solika 80 litatra isan’andro ny fiarabe iray ampiasain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanangonana fako. Mahatratra 1.520 litatra isan’andro, araka izany, ny fitambaran’ny solika ilaina ho an’ireo fiarabe miisa 19 manatanteraka io asa io. 

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT