Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 29 Novambra 2013


Niara-niombom-bavaka ary nangata-pitahiana amin’ny asa goavana hatrehina amin’ny fifidianana solombavambahoaka omaly alakamisy 28 novambra 2013 ireo kandidan’ny ankolafy Ravalomanana mirotsaka ao amin’ny Boriborintany I eto Antananarivo Renivohitra, tarihin’ny Maître Razafimanantsoa Hanitra.

Hanohana sy hampandany ny kandida Dr Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa hotanterahina amin’ny 20 desambra izao ny antoko FRDL (Front Républicain et Démocrate Libéral) tarihin-dRavonison Ambroise na Tonton Ambroise. Hiverina an-tanindrazana tsy ho ela ity farany.

 

Tontosa omaly tao amin’ny Lapan’ny Faritany Antsiranana ny famindram-pahefana eo amin’ny lehiben’ny Faritra DIANA teo aloha Bezara Romuald sy ny kolonely Maevalaza, vao notendrena hisolo toerana azy nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny 20 novambra teo.

Nanapa-kevitra ny hanohana ny kandida Hery Rajaonarimampianina ny antoko GFFM (Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara) manana ny pastera Mailhol ho filoham-boninahitra.

Velon-taraina ireo mpiofana ho “Adjoint d’administration” tao amin’ny INFA Androhibe nandrafitra ny andiany faha-25 nivoaka tamin’ny volana oktobra 2012, fa hatramin’izao tsy misy fanendrena azy ireo hiasa araka ny nanofanana azy.

Nodoran’ny malaso ny tanàna tao an-drenivohitry ny Kaominina Ambatoabo, Distrika'i Tolagnaro ny harivan’ny alarobia teo. Nisy olona telo koa namoy ny ainy nandritra ny fanafihana. Lasan’ny malaso ny omby 50 tao an-tanàna.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT