Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 28 Novambra 2013


Tapa-kevitra ny hanohana an’ny Dr Robinson Jean Louis, ny antoko PRM (Parti Républicain de Madagascar) tarihin’ny Pr Ralison Roger, amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Marihina fa nanohana ny kandida Hajo Andrianainarivelo ity antoko ity tamin’ny fihodinana voalohany.

Milaza ny tsy hanohana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny antoko Monima, tarihin’i Monja Roindefo. Manamafy ity farany fa feno tsy fanarahan-dalàna iny fihodinana voalohany ity, ka lojika ny tsy fanohanany.

Nihotsaka tampoka ny rindrimbato manamorona ny arabe ambadiky ny zandary etsy Betongolo. Nisy mpianatra sendra nandalo no nikorosian’ny vato sy ranontany tamin’izany ka naratra. Omaly tamin’ny misandratr’andro no nitrangan’izany.

Hiantona mandritra ny telo herinandro haharetan’ny fampielezan-kevitra ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra, mba hahafahan’ireo minisitra mandray anjara, manotrona izay kandida tohanany na voarara aza ny fandraisany fitenenana.

Natao omaly teo anivon’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra ny famindram-pitantanana teo amin’ny mpitantam-bola teo aloha Atoa Melece sy ny vaovao Atoa Rabarison Seth. Efa ela no nikasana nanalana ity mpitantam-bolan’ny Kaominina ity, saingy ankehitriny vao tanteraka izany.

Fiara 17 isan’andro sisa no miasa hanalana ny fako eto an-drenivohitra raha 25 izany teo aloha. Ny tsy fahampian’ny vola no antony, araka ny filazan’ny tomponandraikitra.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT