Fifanaraham-piaraha-miasa roa sosona no vita sonia teo amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana. Famatsiam-bola 157,133 miliara tapitrisa Ariary no azon’ny fandaharan’asa fanajariana ireo fotodrafitrasa mahasahana ny lalana na PAIR vatsian’ny Bad izay mirefy 107 km. Mitentina 15,30 miliara Ariary kosa no famatsiana ny tetikasa fanohanana ny fitantanana ny andrim-panjakana.
Manana eritreritra ny hampihaona ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, hoy ny filohany ny Jeneraly Rabotoarison Sylvain. Antontan-taratasy miisa 27 indray momba ny famotsoran-keloka ny efa voadiniky ny FFM ka atolotra ny Fitsarana antampony, hoy ny fanampim-panazavany.
Nanamafy ny masoivoho frantsay François Goldblatt fa mizotra mankany amin’ny fihodinana faharoa mangarahara, tony ary milamina i Madagasikara izay midika ho fiverenana miandalana eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Nanamafy ny fahavononany hanohy ireo ezaka efa natao amin’ny fivoahan’ny firenena malagasy ao anatin’ny krizy politika ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, Leonidas Tezapsidis. Dingana ihany iny fihodinana voalohany iny, hoy ny tenany fa maharitra hatramin’ny 2014 ny Pacem.
Namoaka tolotra momba ny fitaterana sy ny fanangonana ireo fitaovam-pifidianana miainga eto an-drenivohitra mihazo ireo distrika ka mipaka hatrany amin’ireo Kaominina ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita.
Mahatratra 215 ankehitriny ireo antoko politika mitsangana ara-dalàna, raha ny vaovao navoakan’ny ministeran’ny Atitany. 38 amin’ireo dia antoko vao niforona raha nanavao ireo antontan-taratasy voalazan’ny lalàna kosa ny 177.
Nitondra fanazavana fandresen-dahatra ho an’ireo matihanina mpikirakira vaovao eto amin’ny faritra Analamanga momba ny ady amin’ny fanavakavahana ireo olona mitondra ny tsimok’aretina Vih/Sida teny amin’ny hotely Palissandre omaly talata 26 novambra 2013 ny tompon’andraikitry ny «Institut de Technologie de l’Education et du Management»
Mahajanga no handray ny fihaonana andiany faha-3 eo amin’ireo mpitantana orinasa malagasy sy ny tompon’orinasa ao Mayotte ny 28 hatramin’ny 30 novambra 2013 izay karakarain’ny «Carrefour des Entrepreneurs» miaraka «Mémento».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.