Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 26 Novambra 2013


Basy miisa 125 nampiasain’ny jiolahy nanafihana tato anatin’ny Faritanin’Antananarivo no voaangon’ny zandary hatramin’ny fiandohan’ny taona 2013 ka tazomina ao amin’ny toby Ankadilalana. Anisan’izany ny basy fiarovantena nampiasain’ny jeneraly Ramananarivo, izay tratra teny Antanimora niaraka tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny araka ny fanazavan’ny kolonely Rakotomahanina Florens, komandin’ny fari-piadidian’ny zandary Faritanin’Antaninarivo.

Mitaraina ny Jirama fa misy tsy mahaloa vidin-drano ny fikambanana sasany amin’ny paompin-drano. Mazàna tapahina avy hatrany izy ireny. Eny Antanjombe Ambohimanarina lalana mankany amin’ny EPP anefa efa iray volana izao misy fantsona vaky tsy voajery hatramin’izao. Toy izany koa etsy amin’ny akaikin’ny Tana Plaza, lalana Petite Vitesse iny. Efa miha mandavaka mihitsy ary anaovan’ny eny an-toerana antso avo. Efa manomboka koa ny fahavaratra.

 

Nirotsaka nisesisesy ny orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato. Vokany, faritra maro amin’ny faritra iva no efa difotry ny rano. Anisan’ireny ny eny amin’ny Fokontany Antohomadinika. Trano 50 tafo no efa fefiky ny rano. Ny antony, araka ny filazan’ny mponina, dia vokatry ny fanotorana tany sy ny fahatsentsenan’ny lakandrano.

 

Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety etsy amin’ny La Rotonde, Mahavoky, ny antoko Teza anio tolakandro amin’ny telo ora. Ho fantatra mandritra izany ny hevitry ny antoko manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianaan ho avy.

 

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT