Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013


Nitatatata ny feom-basy teny amin’ny manodidina an’Antanimora ny alin’ny sabotsy teo. Nisy mpaka an-keriny nifanenjehan’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Nandeha fiara 405 ireo jiolahy. Nifamaliana ny tifitra teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Maty voatifitra ny telo tamin’ireo jiolahy, tafaporitsaka ny dimy, nisy ny naratra.

 

Andiana mpizahatany maromaro no notafihina jiolahy fito mitam-basy tany amin’ny “Montagne d’Ambre” any Antsiranana omaly alahady tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany antoandro. Tsy nisy aina nafoy saingy norobain’ireo jiolahy tamin’izany ny finday, fakantsary sy ny vola tany amin’izy ireo.

 

Nisy fiara renault Clio, 14... MD, mitondra olona manao fanamiana miaramila sady mitam-bady mivezivezy tany Ambatoboeny, Andranofasika, Ambondromamy sy Marovoay iny, mandrahona olona indrindra ny tambanivolo hifidy kandidam-panjakana.

 

Ny zoma misandratr’andro teo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy izy 15 mianadahy andiany “Mendrika” nianatra manokana momba ny fizahantany sy ny nahandro ary ny fandraisam-bahiny, ka anisan’izany ny teny vahiny teo anivon’ny sekoly “SOS Village d’Enfant” Toamasina. Atoa Mahavimbina Alain no ray mpihay ity andiany ity. Nanolotra fitaovana entin’ireto tanora ireto hiatrika ny fiainany sy ny asany izy, nanampy ny tahiry nataon’ireo tanora.

 

Hitokona ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana rehetra etsy amin’ny foibe Antaninarenina sy ireo rantsamangaikany manerena ny Nosy. Izany dia ho fanoherana ny fikasan’ny sasany haka vola 16 miliara Ariary amin’ny fomba tsy ara-dalàna tao, sy ho fanehoam-piraisankina amin’ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, izay notondroina ho mpiray tsikombakomba ao anatin’izany raharaha maloto izany.

 

Mitaraina ny eo anivon’ny Jirama Toamasina fa tsy ampy ny herinaratra omen’ny mpanjifa amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy hanaovana ny fanapahana herinaratra amin’ireo Fokontany ifandimbiasana isan’andro mandritra ny fotoana mahabe ny fampiasana jiro ho an’ny mpanjifa.

 

Maty ny jiro teny amin’ny manodidina an’Anosiptrana, Anosibe, Anosizato nanomboka omaly tolakandro tamin’ny roa ora. Hatramin’ny 7ora hariva tsy mbola niverina. Nialoha ny fahatapahany dia nisy kotroka sy varatra nipoaka.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT