Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 23 Novambra 2013


Nidina ny vidin’ireo vokatra an-dranomasina ao amin’ny tsenan’Antsiranana izay manodidina ny 3.000 hatramin’ny 6.000 Ariary ny kilaon’ny hazandrano. Niakatra kosa ny vidin’ny henan’omby any an-toerana izay mahatratra 8.000 Ariary ankehitriny raha 6.000 Ariary teo aloha.

  Hotanterahana eny amin’ny Lycée Français de Tana eny Ambatobe rahampitso alahady 24 novambra 2013 ny Tsenaben’ny Noely izay tohanan’ny orinasa Telma. Mazava ho azy fa hisongadina mandritra ny hetsika amin’ny maha varotra fetin’ny Krismasy azy ireo akora sy vokatra mifandraika manokana amin’ny vanim-potoanan’ny fetin’ny asaramanitra tahaka izao.

Ramatoa iray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly zoma maraina vao mangiran-dratsy teny Vinany Itaosy. Nisy nahita teo ambodihazo izy, niboridana tanteraka ka noheverina ho mpamosavy tra-maraina. Niantso olona ilay nahita ary nanomboka ny vono. Nalaky tonga ny mpitandro ny filaminana.

 Nanatanteraka varavarana misokatra teny amin’ny Carlton Anosy omaly zoma 22 novambra 2013 ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroana io hetsika io.

 Nanamarika ny filohan’ny Ceni-T, Attalah Béatrice fa tsy tokony hihoatra ny 8.500.000 ny isan’ny mpifidy mandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny solombavambahoaka. Iray tapitrisa farafahabetsany no isan’ireo mpifidy adino na tsy voasoratra araka ny vinavinan’ny Ceni-T, izany hoe manodidina ny 10% ny ho fitombon’ny mpifidy.

 Efa afaka miditra malalaka eto amin’ny firenena malagasy ireo vokatra avy amin’ny biby avy any Egypta, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta malagasy. Voavaha tanteraka mantsy ny olana mikasika ny aretina «fièvre aphteuse» izay nitranga tany amin’ity firenena ity ny taona 2011, hoy ny tatitra isan-taonan’ny sampana mpitsabo biby egypsiana ao anatin’ny fikambanana manerantany misahana ny fahasalaman’ny biby.

Tsy maharaka intsony ny filan’ireo mpiasa ao Mananjary ny orinasa ADEMA (Aéroports de Madagascar). Ankehitriny dia eo am-pikarohana vahaolana amin’ny fomba hanokafana ny zotra anabakabaka mampitohy an’Antananarivo sy Mananjary ireo tompon’andraikitry ny ADEMA.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT