Natolotra omaly alarobia 20 novambra 2013 teny amin’ny «Centre de Presse Malagasy» eny Antsakaviro ny tatitra farany momba ny fanadihadiana manodidina ny demokrasia sy ny tanora notanterahan’ny Coef-Ressources ary notohanan’ny Masoivoho Amerikanina. Nandritra io fotoana io ihany koa no nampahafantarina ny tetikasa fanangonana hevitra amin’ny alalan’ny «SMS» iandraiketan’ny vondrom-pikambanan’ireo tanora ao anatin’ny «Youth Civic Center».
Famelabelaran-kevitra ho an’ny besinimaro momba ny zo haneho hevitra sy fandraisana anjara no nanamarihan’ny Ivontoerana mikirakira ny serasera sy ireo zon’ny ankizy na i SERAZO eo anivon’ny fakiolten’ny Haisoratra sy ny Siansa Mahaolona omaly alarobia 20 novambra 2013 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Azo ialàna tsara ny fiakaran’ny vidin-tsolika eny amin’ny toby famatsiana, araka ny fanazavan’ireo solontenan’ireo kandida mirahalahy filoham-pirenena hiatrika ny fihodinana faharoa. Vahaolana amin’izany ny fampiasana sy fitrandrahana ireo angovo azo havaozina.
Hakarina ho 10.000 Ariary ny tambinkaraman’ireo mpikambana ao anatin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena miaraka min’ny solombavambahoaka, hoy ny filohan’ny CENI-T Attalah Béatrice. 6.000 Ariary izany teo aloha.
Namoaka boky kely fanentanana ho an’ireo mpanjono manerana ny Nosy mikasika ireo karazana hazandrano mety ahitana poizina ny ministeran’ny jono sy harena an-dranomasina. Nametahana peta-drindrina manokana kosa ny tanànan’i Toamasina.
Hifarana anio alakamisy 21 novambra 2013 eny amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy eny Tsimbazaza ny andiany faha-11 amin’ny fihaonamben’ny mpitsabo hoditra eto Madagasikara rehefa naharitra hateloana. Ankoatra ny resaka fitsaboana hoditra dia mandray anjara amin’ny fihaonana ihany koa ireo mpitsabo misandrahaka amin’ny sehatra hafa.
Efa any Moroni, Comores nanomboka ny talata 19 novambra 2013 lasa teo ireo solontenan’ny vehivavy mpandraharaha malagasy miatrika ilay fivorian’ireo vehivavy mpitantana orinasa. Hifarana rahampitso zoma 22 novambra 2013 ity fihaonana ity.
Nahitana fanafihana mitam-piadiana indray teny Faralaza Talatamaty ny talata 19 novambra lasa teo. Tovolahy 20 taona no maty voatifitra, ny rainy kosa voadaroky ny vy ny lohany. Lasan’ireo jiolahy miisa 20 lahy ny vola tao an-trano sy ny firavaka volamena tao anaty “cofre”. Ny sabotsy nialoha io koa dia efa voatafika ny trano nifanila tamin’ity tokantrano ity.
Na dia efa feno trano sy voatototra ary ny ankamaroan’ny tanimbary eny Anosipatrana dia mbola misy ny mamboly vary. Misy ny fikambanana manao fafy vohitra na mamboly vary amin’ny tany maina tsy misy ketsa fa tonga dia atao fafy katrana noho ny tsy fisian’ny rano. Maharitra 5 volana vao jinjaina ny vokatra. Mahatratra 1,5-2 taonina isan-taona ny vokatra.
Ramano F& Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.