Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 20 Novambra 2013


Ny zoma 22 novambra amin’ny 10 ora maraina no hotontosaina etsy Ambohidahy ny lanonana ara-pitsarana hanambarana ofisialy ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany notontosaina nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny zoma 25 oktobra 2013 teo.

Namoaka rakitsary fahatelo i Tence Mena, nampitondrainy ny lohateny “Femme originale” ho fankaherezana ny vehivavy indrindra indrindra. Mirakitra hira folo ity rakikira omban-tsary vaovao ity, izay noketrehina hatramin’ny volana aprily. Antananarivo, Mahajanga, Nosy-Be eny hatrany Mayotte no nakana ireo sary nandrafetana azy.

Hitazona ny sarandalana ho 400Ar ny vondron’ny mpitatitra an-tanàn-dehibe na UCTU na eo aza ny fisondrotan’ny vidin-tsolika. Milaza ny hampihatra sarandalana tokana anefa izy ireo amin’ny taksibe, ka foana ny tapa-dalana.

Nirotsaka ny orana nanomboka ny alahady teo tamin’ny faritra maro teto Analamanga. Omaly dia ny folakandro no avy ny orana. Araka ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro dia haharitra hatramin’ny zoma ny andro ratsy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT