Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 19 Novambra 2013


Manahy mafy ny amin’ny mety tsy hisian’ny olona hikarakara mivantana ny fifidianana hatao amin’ny 20 desambra intsony ny tenako, hoy ny MCT Sakra Mohamady avy any Besalampy, raha mbola dradradradrain’ny CENI-T ny teny fampitahorana ireo delegem-pifidianana izay nanao ny asa an-tsitrapo ny ankamaroany.

Fianakaviana kely mihitsy no maka trondro etsy Anosy. Tsy misy tahotra sy henatra intsony izy ireo fa amin’ny andro antoandro be nanahary izao. Ny mahagaga anefa dia misy mpitandro filaminana eo akaiky eo fa tsy mijery ireto mpaka trondro akory.

Ireo entana tena ilaina andavanandro no mameno ny fanafarana ankehitriny. Nampihena ireo vokatra nohafarana mantsy ireo mpandraharaha amin’izao vanim-potoana hiatrehana ny faran’ny taona izao noho ny ahiahy manodidina ny fifidianana.

Anisan’ny mampihantona ny firotsahan’ny orana ireo doro tanety, hoy ny mpamantatra ny toetr’andro. Voakasik’izany manokana ny faritr’i Sofia, Boeny ary Ihorombe.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany Dahshur Egypte omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora. Fiara minibus no nifandona tamin’ny lamasinina. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ilay fiara. Vokany, olona 27 no maty tsy tra-drano. Maro ny naratra mafy.

Ramano F. sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT