Fifandrifian-javatra ve ny fitovian’ny mari-bola tokony haloan’ny Fanjakana amin’ny fadin-tseranana sy ny vola tsy hita popoka tao amin’ny Banky Foibe mitentina 232,3 arivo tapitrisa ariary, hoy ny CST Randrianjatovo Henri Victor raha nanontany ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola.
Latsaka be ny vidin’ny kilao amin’ny lavanilina ankehitriny satria zara raha misy 20.000 Ariary. Teo anelanelan’ny taona 2003-2004 anefa dia nahatratra hatrany amin’ny 260.000 Ariary izany. Efa mipetraka eo anivon’ny CST moa ankehitriny ny vaomiera handinika ny kalitao sy ny vidin’ity vokatra Malagasy manana ny maha izy azy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ity.
Hajoro ny sampandraharaha vaovao eo anivon’ny polisim-pirenena iadiana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Hairaha vaovao mikirakira ny fanangonam-baovao sy ny serasera no ampiasaina amin’izany toy ny GPS sy ny GPRS izay fomba hitiliana ireo zavatra very na ireo toerana mila vonjy izay tafiditra ao anatin’ilay tetikasa FNSA na lisitra nasionaly momba ny fandriampahalemana eo anivon’ny polisy.
Nanamarika i Manandafy Rakotonirina, mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita fa tsy vao izao no nisy ireo fanodinkodinam-bola tao amin’ny Banky foibe ary tena ilaina ny fandraisana fepetra mba hisorohana ny olana tahaka ireo efa nitranga.
Manodidina ny 9 na 10 eo ny fitambaran’ireo rivodoza mety handalo eto Madagasikara sy La Réunion amin’ity vanim-potoanan’ny fahavaratra 2013-2014 ity. Maharitra enim-bolana izany dia eo anelanelan’ny novambra 2013 sy aprily 2014, araka ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetr’andro ka ny volana febroary sy martsa no tena ahitana ny ivony.
Handray anjara voalohany amin’ilay hetsika ara-barotra «Start fish trade event» hotanterahana any Ouganda ny volana janoary 2014 i Madagasikara. Hasehon’ny solontena Malagasy mandritra io fotoana io ireo karazana drakaka misy eto amintsika.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.