Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 16 Novambra 2013


Nampahafantatra ireo ho kandidany amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao ny ao amin’ny antoko Grad Iloafo, omaly, tetsy Tsiadana. Anisan’ireny ramatoa Bako Ratsifandrihamanana fantadaza tompodakan’i Madagasikara teo amin’ny sehatra lomano, kandidan’ity antoko ity ao amin’ny Boriborintany faha-3. Nampahafantarin’ny antoko Grad Iloafo omaly io ihany koa ny gazetiny izay mitondra ny anarana “Lakam-baovao” ary hiseho isan-kerinandro.

Notanterahina ny zoma 15 novambra teo ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ ny Sekoly Ambony STSI (Sekolah Tinggi Seni Indonesia) mampianatra ny kolontsaina Indonezianina any Bandung Indonezia sy ny CNEMD, sekoly misahana ny fampianarana ny dihy sy mozika eo anivon’ ny Ministeran’ ny Kolontsaina sy ny Vakoka.

Handefa taratasy fampahatsiahivana fanintelony ny amin’ny tsy mahamety ny fiandanian’ireo mpikambana ao amin’ireo andrim-panjakana tetezamita, indrindra ireo filoha mandritra ny fotoanan’ny fifidianana ny Komity mpanara-mason’ny fampiharana ny tondrozotra.

Mandray anjara hatrany amin’ny 25%-n’ny fampidiran-ketra eto amin’ny firenena ireo mpikambana ao amin’ny Sendikan’ireo Indostria eto Madagasikara. Alahelon’izy anefa ny tsy nandraisan’ny governemanta nifandimby hatrany ireo tolo-kevitra izay naroson’izy ireo ho fanatsarana ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana.

Nifarana omaly ny fe-potoana nomen’ny oniversite sinoa Jiangsu ho an’ireo mpianatra Malagasy eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny sampana fitantanana andoavan’ny fitondram-panjakana Malagasy ny saram-pianaran’izy ireo sy ny hofan-trano tsy voaloa.

Hisy hetsika fanapariahana lay misy ody moka any amin’ny tanànan’i Nosy-Be amin’iny herinandro iny. Tafiditra amin’ny ady atao hiadiana amin’ny tazomoka iarahan’ny fikambanana tsy miankina Vahatra sy ny PSI Madagascar izy ity.

Anio sabotsy 16 novambra no hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fifandeferana. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia any Moramanga no ivo hankalazana izany. Manana fomba fiteny malaza isika amin’io : “ Vero notaingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra” ary fandresena ny fandeferana sy ny fiaretana.

Lasa feno trano miorina ny tanimbary eny Anosipatrana ankehitriny. Amidin’ny olona ambongadiny ny tany. Misy fikambanana TAFITA (Tantsaha Fitaratra Tahafina) manofa tany mba maniry ny hividy tsikelikely ny tany ofainy fa ny manam-bola mitambatra ihany no mahazo rariny. Manaika ny rehetra izy ireo hitady vahaolana.

Tsy misy mpitondra ny tanànan’Antananarivo ! Marina io raha ny fahitana ny fako mivangongo eto an-drenivohitra toy ny eny Anosibe sy ny mpivarotra amoron-dalana tsy misy andehanan’ny mpandeha an-tongotra intsony no resahina. Fa nahoana tokoa no tsy mety voasolo ny PDS e ?

Nisahotaka ny tao amin’ny CEG Anosizato Andrefana omaly. Sendra voazeran’ny mpianatra nisangy ny siny nisy rano tao an-dakilasy ka niraraka tao amin’ny biraon’ingahy tale tao ambany. Vetivety dia niely ny feo fa hoe nesorina ny aronakanjon’ireo mpianatra nanamainana ny rano raraka ka tsy maintsy nanamarin-tena ny tale.

Ramano F & Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT