Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 14 Novambra 2013


Nampahafantatra ny ny firotsahany sy ny antom-pilatsahany ho anisan’ny mpifaninana ho solombavambahoaka ao Toamasina I Rtoa Ndahimananjara Johanita. Ny talata hariva teo dia nisy ny fihaonany tamin’ireo talem-paritra sy iraisam-paritra ary ireo tompon’andraikitra avy amin’ny sehatra tsy miankina namaly ny antso. Nomarihany fa amin’ny alalan’ny fikambanana FIVOY no nirotsahany, fa tsy amin’ny alalan’ny antoko AVI.

Efa ahitana fahasimbana sahady ilay “Lapan’ny Tanàna manaram-penitra” ao Toamasina notokanana tamin’ny volana febroary 2013. Maro ny “carreaux” vaky, toy izany koa ny vararavarana maromaro. Ahitana fahavakisana koa ny fitaratra eo am-pidirana ny Lapan’ny Tanàna.

Nizara fanampiana akanjo aro orana miampy bodofotsy ho an’ireo zaza beazina ao amin’ny Akany Lovasoa 67ha ny fikambanana «Fanahy maha olona» tarihin’i Ny Rado Rafalimanana omaly. Tonga teny an-toerana niatrika ny fanomezana niaraka tamin’ny mpitantana ny Akany i Annick Ratsiraka, zanaka vavin’ny Amiraly Ratsiraka.

Nisy rambondanitra nandravarava fotodrafitra maro tany amin’ny Kaominina Mahatsinjony, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony ny alahady 10  novambra teo. Nopaohiny tamin’izany ny tafon’ny EPP roa sy ny tobim-pahasalamana fototra ao an-toerana.

Mpiandry  faty 40 indray torana, ny razana nandrasana nilatsahan’ny varatra. Loza no nitranga nandritra ny fiandrasam-paty tany Andranolava, Alakamisy Ambohimaha io ny alin’ny alahady 10 novambra lasa teo. Tsy nisy ny aina hafa nafoy saingy nisy kosa ny famaizan’ny  trano.

Notafihin’ny jiolahy miisa 8 ny akanin’ny sembana Mijoro teny Morondava Antehiroka omaly talata tamin’ny 2ora30 maraina. Lasany tamin’izany vola dimy tapitrisa ariary sy solosaina miisa 15. Naharitra ora iray ny fanafihana.Nisy tokantrano hafa koa nahazoany 35.000Ar. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy na dia nitondra basy aza ireo jiolahy.

Mitaraina ny mponina, indrindra ireo fiara mampiasa iny lalana Petite Vitesse iny. Misy lalana simba miha mandoaka mantsy eny an-toerana. Misy fantson-dranon’ny jirama vaky eo akaikiny izay mitarika ny lavaka.

Mitaky famotorana ara-pitsarana na enquete pénal Atoa Maka Alphonse tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo. Nambarany fa tany Amboasary Atsimo tamin’ny birao fandatsaham-bato telo, Ejeda, Befotaka ary Tsivory dia maro ny isan’ny nifidy noho ny voasoratra anarana.

Rakoutou & Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT