Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 13 Novambra 2013


Ho sarotra ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hoy Sahondra Rabenarivo, mpitsara sady mpikambana ao amin’ny Sefafi. Mpisolotena ireo mpifanandrina fototra tamin’ny krizy mantsy no miatrika izany. Mba hialana amin’ny mety hisian’ny krizy vaovao aorian’ny fifidianana dia mila manatanteraka tsara ny andraikiny ny Ceni-T.

Ny sabotsy 23 novambra 2013 farafahatarany no hanambara amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra lasa teo ny Fitsarana manokana momoba ny fifidianana. Tsy voatery hitovy amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI-T ny valiny avoakan’ny CES noho ireo fitarainana voarain’izy ireo izay nahatratra 104.

Handrasana amin’ny zoma ho avy izao ny fehin-kevitry ny fikaonan-doha episkopaly. Raha tsy misy ny fiovana dia hisy ny fanambarana iombonana ataon’ireo Eveka katolika eto Madagasikara mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena.

Ny alatsinainy 11 novambra no nankalazaina ny Andron’ny antontan’isa teny amin’ny foibeny teny Anosy. Nitohy omaly talata 12 novambra izany ka nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo vahiny nasaina toa an’i Togo, Gabon ary Côte d’Ivoire.

Hanova ireo fiaramanidina miasa ao aminy ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka malagasy manomboka amin’io taona vaovao ho avy io ary hitohy hatramin’ny taona 2015 izany, hoy ny Tale jeneralin’ny Air Madagascar Ratsiferana Hugues. Natao izany mba ho hamaliana ny filan’ny tsena.

Nitombo ny isan’ireo olona tratry ny areti-maso «takodi-mena» teto an-drenivohitra tao anatin’ny roa herinandro izay. Fahalotoan’ny rivotra sy tsy fahampian’ny fahadiovana na tsy fahazakana ny toetr’andro no anisan’ny mahatonga azy ity.

Maherin’ny 50 Ariary tao anatin’ny tapa-bolana ny fitombon’ny vidin’ny kilaom-bary teto an-drenivohitra noho ny fiavin’ny fotoam-pahavaratra.

Mijaly amin’ny rano fisotro madio an’ny jirama ny mponina eny Sabotsy Namehana eny. Nambaran’izy ireo fa amin’ny  10-11ora alina izy ireo vao milahatra mantsaka. Misy ny manararaotra izany ka mangalatra ny entana ao an-trano noho ny tsy fisian’ny olona. Adiny efatra isan’andro no mandeha ny rano eny an-toerana. Ny eny Ankadikely anefa mifanakaiky eo mandeha 24/24ora ny rano.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT