Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 12 Novambra 2013


Tsy niandry ela fa nandray andraikitra avy hatrany nanangona ireo anaran’olona tsy voasoratra tao anatin’ny lisi-pifidianana ireo sefom-pokontany. Nataon’izy ireo izany mba hanamorana ny asan’ireo rantsamangaikan’ny CENI-T hidina eny ifotony.

Tsy azo anaovana intsony ireo akanjo misy ny sarin’ireo kandida roa hiatrika ny fihodinana faharoa aorian’ny famoahan’ny CES ny voka-pifidianana ofisialy sy mialoha ny fotoana hanombohan’ny fampielezan-kevitra ny 29 novambra, hoy ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny KMF/ CNOE.

Dingana farany ny famonjana olona, hoy lehiben’ny fampanoavan’ny Repoblika. Maro loatra mantsy ireo olona tazonina vonjmaika eny am-ponja nefa tsy mandalo fitsarana raha tsy 2 na 3 taona aorian’izay. Hany ka tsy maharaka intsony ny toerana handraisana azy ireo ary voahitsaka tanteraka ny zon’olombelona.

Nisy ireo fanatsarana vaovao eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Anisan’izany ireo fitaovam-pitiliana sy toeram-piasana vaovao ho an’ireo polisy misahana ny sisin-tany izay hanampy betsaka amin’ny fitandroana ny filaminana eny an-toerana.

Niakatra teo amin’ny 2% ny vidin’ny fotsimbary vokatra eto an-toerana sy avy any ivelany ary fiakarana 3% ny vidin’ny akotry nanomboka tamin’ny volana septambra. Tsikaritra rahateo ny fitombon’ny vidim-bary tamin’ireo faritra andrefan’ny nosy mpamokatra ity foto-tsakafon’ny malagasy ity mandritra ny vanim-potoana fiotazam-bokatra.

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny atrikasa fampiofanana ao Mahajanga karakarain’ny mpitantana sekoly laika misahana ny fanabeazana. Mpanabe miisa 25 avy amin’ny kilasy fikolokoloana zaza ao an-toerana no manaraka izany.

Tsy mandry fahalemana ny mponina eny Ambohimiadana Kaominina Ampitatafika eny. In-droa isan-kerinandro, hoy ny fitarainan’ny olona dia misy vaky trano hatrany. Ny sabotsy hifoha ny alahady teo izao dia tranona teratany maorisianina no lasibatra. Nisy ny poa-basy fa tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Ny alika mpiambina no maty.

Nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka any amin’ny Distrikan’i Manjakandriana i Madame Voahangy. Roa amin’ny 19 hilatsaka any an-toerana izy ireo no vehivavy.  Ny lalana tsy nety vita hatramin’ny fahakeliny no nahatonga azy hilatsaka.

Mirongatra indray ny mpanendaka sy mpangarom-paosy amin’ny fartra 67ha sy Andravoahangy iny amin’izao fotoana, indrindra rehefa tsena. Tsy heno mihitsy ny handidiany ny poketra hakany ny ao anatiny.

Ny zoma 11 oktobra teo no tokony hametra-pialana ny minisitra hirotsaka depiote. Omaly alatsinainy 11 novambra anefa vao namindra fahefana tamin’ny minisitry ny mponina Vaomalala olga ny minisitry ny fahasalamana Johanita Ndahimananjara sady nisahana ny ministeran’ny rano ny 04 septambra lasa teo.

Ramano F sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT