Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013


Mitsingerina amin’ny 11 novambra 2013 ity ny faha-95 taona nifaranan’ny ady lehibe voalohany (1914-1918), antsoina hoe: «Armistice», rehefa resy tosiky ny tafika mitambatra ry zareo alemana. Nisy ny fanaovan-tsonia natao ny andron’ny 11 novambra 1918 ho mariky ny fitsaharan’ny ady. Isan-taona dia fanolorana mari-boninahitra sy fametrahana fehezam-bonikazo etsy amin’ny anjely mainty Anosy no manamarika ny 11 novambra eto Madagasikara.

Nofaranana tamin’ny fotoam-bavaka lehibe omaly alahady 10 novambra tao Fianarantsoa ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tsiahivina ihany fa teny amin’ny kolejy teôlôjika Ivato no nanokafana ny taom-pankalazana, natao tany Toamasina ny ivon’ny fankalazana ary izao nofaranana tany Fianarantsoa izao.

 

Efa manana ny fotodrafitrasa hotanterahiny eny Anosipatrana ny kandida solombavambahoaka Antananarivo IV tarihin’ny Zanak’i Dada. Ao, ohatra ny fanamboarana ny lalankely mamakivaky ny tanàna ... Efa samy manana ny tetikasany koa ny faritra tsirairay. 

 

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT